Madatopinfo

 Flash Info

FOIBE FAMPIVOARANA NY TOVOVAVY: «Ampy fahaizana fa kely vola ireo mpiofana»

FOIBE FAMPIVOARANA NY TOVOVAVY: «Ampy fahaizana fa kely vola ireo mpiofana»

FOIBE FAMPIVOARANA NY TOVOVAVY: «Ampy fahaizana fa kely vola ireo mpiofana»
octobre 13
19:30 2021

Raitra ! Io no fahitan’ireo mpitsidika ny varotra fampirantiana ireo tao-zavatra vitan’ireo mpiofana tovovavy amin’ny ivon-toerana tsy miankina. Saingy nilaza ireo tomponandraikitra fa tsy afaka miasa tena ireo nahavita fianarana fa maro no lasa mitady asa any an-kafa, tahaka ny orinasa afak’haba. Notanterahina teo amin’ny Ekar Manjakaray ny lanonam-panirahana ireo tovovavy rehetra nahavita fiofanana teo amin’ny Centre de formation professionnelle tsy miankina amin’ny Fanjakana. Ity ivon-toerana ity izay sahanin’ny mpitondra fivavahana. Nampiavaka azy, ny sabotsy 9 oktobra teo, nandritra ny fanolorana ireo marim-pahakasitrahana ny vaovao nilaza fa miara-misalahy amin’ny fampiofanana ireo tovovavy ny Pasitera ho an’ny eo Behoririka, ny Lahika ho an’Andohanimandroseza, ny Frera sy Mopera Zezoita eny Anosibe ary ireo Masera misahana ny Diosezy sy ny Faritra maro.
Natomboka tamin’ny Sorona Masina ny lanonana izay narahana fizarana marim-pankasitrahana. Niroso tamin’ny filatroana teo an-tokontany malalaky ny Fiangonana nampirantiana ireo zaitra vitan’ny mpiofana. Nandritra izany koa ny fitsidihan’ireo vahiny ny varotra fampirantiana ireo taozavatra sy zaitra ary asa tanan’ireo mpiofaba. Narahina fiaraha-misakafo ny lanonana. Tonga nanotrona ny lanonana ny solontena avy amin’ny Ministeran’ny Fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa. Araka ny fampitam-baovaon’ireo mpiandraikitra izay teny an-toerana dia voalaza fa manodidina ny 10.000 ariary ny saram-pidirana ary ny 15.000 ariary isam-bolana ny saram-piofanana. Maharitra roa taona ny fiofanana. Atrehin’ny Ministera mpiahy ny fanadinana ka eo Ambatomainty ho an’ny Faritra Manodidina ny Renivohitra fa ny avy any amin’ny Faritra hafa kosa ny solontenan’ny Ministera no midina any. Voalaza fa mamerin-taona ireo tsy afa-panadinana. Anisan’ny antoka ho an’ny fampandrosoana ny fianakaviana sy ny firenena ny tsenan’ny asa tanana vita Malagasy toy izao.

Haja Nirina & Harana Celse

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031