Madatopinfo

 Flash Info
  • HETSIKA MOMBA NY FITATERANA : « Nahomby ny SITLM andiany fahatelo », hoy ny mpikarakara Mitàna anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fitaterana amin’ny alalan’ny fivezivezena na anatiny na mankany ivelany indrindra amin’ny fanondranana entana vokarina eto an-toerana. Andro...
  • PUBLI-reportage UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II 038.38.138.38/037.02.037.02/033.33.633.77 Mention : Communication – Gestion. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Cours en classe, en ligne, regroupement na mampianatena amin’ny boky Technology and sciences...
  • UNIVERSITY TECHNOLOGY 038.38.138.38 UNIVERSITY TECHNOLOGY DTS.LICENCE.MASTER I.MASTER II MENTION:COMMUNICATION.GESTION Hanohy fianarana ambony, hampiakatra karama sy toerana : reclassement.Cours en classe, en ligne, regroupement, mampianatena @ boky. Diplômes agréés, habilités avec la FOP Technology...
  • Manasa e-SAKAFO 038.33.633.77 VARY SY LAOKA NAHANDRO GASY Sakafo vaovao, madio, tsy misy karbonetra Sur place, emporter, livraison SAKAFO ATOANDRO Zaimaika 26,36 Analakely SAKAFO HARIVA Rond point Andravoahangy...
  • AGENCE RCA 038.33.633.77 RECRUTEMENT : Mitady Lehilahy tantsaha hiasa any amin’ny faritra TSENA TRANO TANY AHOFA na AMIDY  Ahofa TSENA sy trano efitra 2, douche, wc,Ikianja Ambohimangakely 200.000 ariary  TSENA 1...

MINISTERAN’NY FITATERANA: Aorian’ny fivorian’ny kaomisiona vao hisy ny mety ho fiakaran’ny saran-dalana

MINISTERAN’NY FITATERANA: Aorian’ny fivorian’ny kaomisiona vao hisy ny mety ho fiakaran’ny saran-dalana

MINISTERAN’NY FITATERANA: Aorian’ny fivorian’ny kaomisiona vao hisy ny mety ho fiakaran’ny saran-dalana
novembre 10
18:10 2021

Notanterahana ny alarobia 10 novambra teny Anosy ny fivoriana teo amin’ ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny momba ny fitaterana an-tanety izay notarihan’ny Ministry ny fitaterana, Tinoka Roberto. Maro ireo fehin-kevitra nivoitra taorian’ity fivoriana ity, anisan’izany ny momba ny fandraisana fanapahan-kevitra amin’ny fampiakarana saran-dalana eo amin’ireo zotra nasionaly. Izy ireo izay mikasa ny hampihatra io fiakaran’ny saran-dalana io manomboka ny 22 Novambra ho avy izao. » Efa taona maro no tsy nisy ny fiakaran’ny saran-dalana, nisy ny fitsinjovana ny mpanjifa nandritra izany. Na dia izany anefa tsy maintsy misy ny fandinihana izany miaraka amin’ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fitaterana », hoy ny filohan’ny koperativa, Razafijemisa Jerry. Nilaza kosa ny Ministra Tinoka Roberto fa mbola tsy mihatra aloha io fanapahan-kevitra amin’ny zotra an-tanety nasionaly sy rezionaly io, hisy ny fivoriana miaraka amin’ny kaomisiona izay vao hatsangana ka aorian’izay vao ho tapahana ny zotra voakasik’izany. Solontenan’ny mpitatitra, mpanjifa, ary ireo mpisehatra rehetra momba ny fitaterana miaraka amin’ny Ministera tompon’andraikitra moa no mivondrona ao anatin’ity kaomisiona ity. « Mbola dinihana avokoa ny mety hampiharana io fampiakarana saran-dalana io, jerena izay tsy mamono ny mpitatitra sy ny mpanjifa », hoy hatrany ny Ministra Tinoka Roberto. Andrasana araka izany izay fanapahan-kevitra tapak’ireo kaomisiona ireo mba hisy ny marimaritra iraisana mahakasika ity saran-dalana kasaina hasondrotra tampoka ity.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930