Madatopinfo

 Flash Info

BFM SY NY TRANO FIANTOHANA M.A.MA : Hiara-hiasa amin’ny alalan’ny fametrahana mpanara-maso hanatsarana ny fitantanana

BFM SY NY TRANO FIANTOHANA M.A.MA : Hiara-hiasa amin’ny alalan’ny fametrahana mpanara-maso hanatsarana ny fitantanana

BFM SY NY TRANO FIANTOHANA M.A.MA : Hiara-hiasa amin’ny alalan’ny fametrahana mpanara-maso hanatsarana ny fitantanana
mars 25
07:06 2024

Manana anjara toerana goavana eo anivon’ireny tranom-piantohana ireny ny fanaraha-maso amin’ny endriny rehetra, na eo amin’ny lafiny fitantanana izany na ihany koa amin’ny fomba fiasa amin’ny ankapobeny. Manoloana izany indrindra, nanapa-kevitra ny Vaomiera mpanara-maso ny banky sy ny fitantanam-bola (CSBF) eo ambany fiahian’ny Banky Foiben’i Madagasikara fa hanendry mpanara-maso voatokana ho an’ny Trano fiantohana Mutuelle d’Assurance Malagasy na M.A.MA. Miisa roa ireo voatendry hitàna izany andraikitra izany raha ny nampahafantarina teny Isotry, foiben-toeran’ny M.A.MA ny zoma 22 marsa lasa teo. Ny tale jeneralin’ny Sampan-draharaham-pitsikilovana ara-bola (Samifin) teo aloha, Boto Tsara Dia Lamina sy Armand Rakotondravelo, manampahaizana amin’ny sehatry ny fiantohana no hiantoka izany fanaraha-maso izany amin’ny anaran’ny CSBF. Hiompana amin’ny fanadihadiana lalina momba ny zava-misy amin’ity tranom-piantohana ity ny asa imasoan’ireo mpanara-maso ireo mandritra izany ho fanatsarana ny fitantanana. Hitohy amin’ny fitsirihana ny fomba fiasa sy ny lafiny ara-bola ary ny fomba fitantanana amin’ny alalan’ny fametrahana paikady.
« Maharitra enim-bolana ny fe-potoam-piasan’izy ireo amin’ity iraka ity, anisan’izany ny fanohanana ny filankevi-pitantanana sy ny fitantanana ankapoben’ny M.A.MA amin’ny fanatsarana ny paikadin’ny fandraharahana, na ny fanavaozana ny fomba fitantanana azy », araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, ny Governoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM), Aivo Andrianarivelo.
Ny Trano fiantohana M.A.MA rahateo dia tsy mitsaha-mampivoatra ny tolotra sy ny fomba fiasany mandritra izay taona maro nijoroany izay ka isan’ireo ny fampiroboroboana ny fandraharahana ara-bola eo aminy sy ny fanatsarana ara-pitantanana ho fahafaham-po ny mpikambana.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930