Madatopinfo

 Flash Info

TETIKASA FY VARY: Hampiroborobo ny teknika fambolem-bary eto Madagasikara

TETIKASA FY VARY: Hampiroborobo ny teknika fambolem-bary eto Madagasikara

TETIKASA FY VARY: Hampiroborobo ny teknika fambolem-bary eto Madagasikara
octobre 13
05:15 2021

Isan’ny olana sedrain’ny tantsaha matetika ny tsy fahampian’ny fahefa-mividy ireo karazan-jezika ampiasaina amin’ny fambolem-bary ka mahatonga tsy fahampian’ny vokatra. Vahaolana entin’ny fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana miaraka amin’ny firenena Japoney ny tetikasa fikarohana iraisampirenena Fy Vary na FertilitY sensing an Variety Amelioration for Rice Yield. Eo koa ny fiaraha-miasa amin’ny MESUPRES, ny Office National de Nutrition (ONN), ny FOFIFA, ny Laboratoire des Radiosotopes de l’Université d’Antananarivo (RLI), Université de Tokyo, Université de Kochi ary ny Université d’Yamanashi Eiwa sy ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny SATREPS (Partenariat de Recherche sur la Science et la Technologie pour le Développement Durable izay tohahan’ny Agence Japonaise de la Coopération Internationale na JICA sy ny JST (Japan Science and Technology). Tanjona amin’ity tetikasa ity ny hampivoatra ny teknika fambolem-bary manaraka ny toe-tany arakaraka ny faritra sy ny toe-tany eto Madagasikara. « Fomba iray ahafahan’ny tantsaha mampitombo ny vokatra ny Fy Vary ary ity voka-pikarohana ity dia natao ho an’ireo tantsaha mpamokatra izay tsy afaka mividy zezika betsaka », hoy ny Tale Jeneralin’ny Fambolena eo anivon’ny MINAE sady Chef du Projet Fy Vary eto Madagasikara. Mihena ny tsingerim-piainan’ny vary, izany dia isan’ny tombotsoa azo avy amin’ity tetikasa ity indrindra amin’izao fiovaovan’ny toetr’andro izao ka mahatonga ny vanim-potoana fahavaratra mihafohy. Ny tany eto amintsika ihany koa tsy ampy akora roa indrindra ny Azote sy Phosphore ka rehefa mampiasa ity teknika ity dia alona ao anaty fotaka sy rano ary avy hatrany dia ny fakam-bary no mandray azy, hoy ny fanazavana voaray. Efa nisy ny fanandramana notanterahana tany Behenjy ary nahitana fa mahatafavoaka voka-bary 5 taonina ny tany 1 hektara. Ny JICA moa dia manohana hatrany ny Ministeran’ny Fambolena indrindra eo amin’ny seha-pihariana vary. Raha tsiahivina, maharitra dimy taona ny tetikasa, nanomboka tamin’ny 2017 ka hatramin’ny taona 2022. Ny Dokotera Yasuhiro Tsujimoto kosa no Chef du Projet eo anivon’ny firenena Japoney. Azo heverina hitondra fahavitan-tena ara-tsakafo eto Madagasikara araka izany ny fampiharana ity teknika ity satria namdritra izay 4 taona nisian’ny Fy Vary izay dia efa namokatra karazana vary vaovao 3 sahady ireo tantsaha nisitraka ny tetikasa.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930