Madatopinfo

 Flash Info

EPP MOKOTRA: Ankizy miisa 150 no hisitraka ny fampianarana ara-dalàna

EPP MOKOTRA: Ankizy miisa 150 no hisitraka ny fampianarana ara-dalàna

EPP MOKOTRA: Ankizy miisa 150 no hisitraka ny fampianarana ara-dalàna
septembre 22
09:15 2020

Tontosa ny 17 septambra lasa teo ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny sekoly faha-78 an’ny fandaharan’asa Sekoly Telma, sekoly fanabeazana fototra (EPP) ao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Mokotra, faritra Menabe. Izany no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa teo amin’ny Fondation Axian sy ONG Blue Ventures niaraka tamin’ny mponina ao an-toerana. Amin’ity taom-pianarahana vaovao ho avy ity araka izany, ankizy 150 no hisitraka ny fampianarana ara-dalàna ao amin’ny EPP Mokotra. Teo aloha tokoa mantsy, mandeha dia an-tongotra 45 minitra ny ankizy vao tonga any an-tsekoly fa amin’izao kosa dia fantatra fa hahazo tombony ary ho afa-pahasahiranana ny Ray aman-dreny sy ny mpianatra amin’ny fisian’ity Sekoly Telma faha-78 ity. Ankoatra ny fototrafitrasa, ahitana fitaovana ilaina amin’ny fampianarana, trano fidiovana sy fivoahana ary lava-drano ihany koa eo anivon’ny EPP Mokotra. Ity lanona-pitokanana ity moa dia natrehan’ny Governoran’ny faritra Menabe, ny Ben’ny Tanànan’i Belo sur Mer, nanatrika izany ihany koa ny solontenan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny manampahefana tao an-toerana ary ny solontenan’ny mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa: Fondation Axian, Blue Ventures, FRAM ary ny mponina.
Ny taona 2019 mantsy no nanatantetaka fanisana na « recensement » ny ONG Blue Ventures ary fantatra tamin’izany fa ankizy 158 ao amin’ny tanàn’i Belalanda sy Marovitiky ary Mokotra dia 5 hatramin’ny 14 taona avokoa ka ny 146 amin’ireo dia tsy miditra an-tsekoly, raha 98 kosa no latsaky ny 5 taona. Isan’ny antony nahatonga ireo mpiara-miombon’antoka ireo hanatontosa izao tetikasa goavana izao izany. Raha tsiahivina, nanomboka tamin’ny 2015 hatramin’ny taona 2019 dia Sekoly Telma miisa 77 no naorina manerana an’i Madagasikara ary ankizy 15.000 no nisitraka izany tetikasa izany. Ny Fondation Axian rahateo manohy ny tetikasany hatrany amin’ny alalan’ny fandaharan’asa Sekoly Telma hanomezana tolotra ara-panabeazana mifanaraka amin’ny fenitra takiana amin’izany sady tafiditra ao anatin’ireo sehatra 4 sahaniny ihany koa ny fanabeazana.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031