Madatopinfo

 Flash Info

FANATANTERAHANA NY TETIKASA EduSCAC: Hiara-hisalahy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Masoivoho Frantsay

FANATANTERAHANA NY TETIKASA EduSCAC: Hiara-hisalahy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Masoivoho Frantsay

FANATANTERAHANA NY TETIKASA EduSCAC: Hiara-hisalahy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Masoivoho Frantsay
mai 25
11:21 2022

Ho fanatanterahana ny Velirano fahaefatra nataon’ny Filohm-pirenena mikasika ny fanatsarana hatrany kalitaon’ny fanabeazana, niroso tamin’ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena, Marie Michelle Sahondrarimalala, sy ny Masoivohony miasa eto Madagasikara, Christophe Bouchard amin’ilay tetikasa antsoina hoe: « EdiSCAC ». Amin’ny alalan’io tetikasa io no hisitrahan’ireo mpampianatry ny Lisea miandraikitra ny taranja vaovao « SES » ( Science Economiques et Sociales) fiofanana mandritra ny roa taona. Mitentina 473000 Euros kosa no tetibola natokana ho amin’izany. Voarakitra anatin’ny fifanarahan’ny roa tonta io ihany koa ny fanatsarana ny firosoana ho amin’ny fampiharana ny sokajy « OSE » amin’ny fanadinana Bakalorea. eo ihany koa fanatsarana ny fitaovana ampiasaina amin’ny fampianarana ny taranja vaovao « SES » sy ny famolavolana ny loharanon-kevitra pedagojika, izay iarahana miasa amin’ny ivon-toeram-piofanana nasionaly ara-pedagôjia ; fanatsarana ny fifehezana ny teny frantsay, izay tena ilain’ny mpampianatra amin’ny asa sahaniny. Nanambara ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena nandritra ity fifanaovan-tsonia ity fa: « Mifandraika indrindra amin’ny fanavaozana sy fanovàna entin’ny Fanjakana Malagasy ny tetikasa EduSCAC, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, eo amin’ny rafi-pampianarana ; ny fandaharam-pianarana ; ny fametrahana ny sokajy OSE sy ny taranja vaovao SES. Tsy afaka hirosoana anefa izany rehetra izany raha tsy misy ny fanofanana ireo mpampianatra ary isan’ny isaorana lehibe ny firenena Frantsay, izay nanolo-tànana, amin’ny fanatanterahana izany amin’ny alalan’izao tetikasa izao ». Efa miroso amin’ny fanavaozana hafa toy ny fametrahana ny lalàna mifehy ny fanabeazana; ny fametrahana politikan’ny teny hoenti-mampianatra mba ho an’ny tombontsoan’ny zaza Malagasy sy ny fitovian-jo hisitrahan’izy ireo fanabeazana ara-kalitao, araka ny fanampim-panazavany hatrany. Ny Masoivo frantsay, Christophe Bouchard, ihany koa nanamafy ny fahavononany hiara-hiasa hanohana ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930