Madatopinfo

 Flash Info

ASA FANAOVAN-GAZETY : Mifanindry an-dalana ho amin’ny vaovao maro lafy ny nimerika sy ny haino aman-jery

ASA FANAOVAN-GAZETY : Mifanindry an-dalana ho amin’ny vaovao maro lafy ny nimerika sy ny haino aman-jery

ASA FANAOVAN-GAZETY : Mifanindry an-dalana ho amin’ny vaovao maro lafy ny nimerika sy ny haino aman-jery
mai 18
12:02 2022

Mifameno ny haino aman-jery nentindrazana sy ny an-tranokalam-pifandraisana amin’ny fanapariahana vaovao izay samy mitaky fahalalahana haneho hevitra hatrany. Ny asa fanaovangazety eo ambany vahoan’ny haitao arakajy mirindra. Io no lohahevitra niompanan’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena an’ny fahafahana maneho hevitra, ho an’ny teto Madagasikara, ny 3 mey teo. Tsy afaka miala amin’ny fivoaran’ny teknoiojia ireo haino aman-jery mahazatra noho ny tolotra sy tinady vaovao eo noho eo, amin’ny toerana sy fotoana rehetra. Samy ilaina mitondra ny hanitra ho azy ny gazety, onjam-peo, fahita lavitra ary ny internet.
Hetsika amin’ny endriny maro no nankalazana ny andron’ny 3 mey ho an’ny tany amin’ny faritra maro fa ho an’Antananarivo renivohitra, nisongadina ny tafatafa mivantana tamin’ny tambazotran-tserasera nifarombonan’ny FES sy ny holafitry ny mpanao gazety na OJM.
Nandritra io fankalazana ny 3 mey io, anisan’ny fanombohana ny hetsika nasionaly ny fanolorana ny asa fanatsarana ny tsangambaton’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, Analakely. Narahina lanonana « Media Award », tetsy amin’ny efitrano malalaky ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny tapany maraina. Nifanindry ny lanonana fanolorana ny asa fanavaozana ny birao iasan’ny OJM, Ambohidahy sy ny valin-kantsembohan’ireo mpanao gazety laharana telo voalohany izay nanatanteraka fanadihadiana lalina sy mpanao fanatsikafonana nokarakarain’ny Transparency international initiative Madagascar teo amin’ny Urban hotel Ambatonakanga, samy tamin’ny mitatao vovonana.
Mivantana
Ny tolakandro, vory lanona teo Anosy avokoa ny ankamaroan’ny mpanao gazety avy teto Andrenivohitra sy ireo mpianatra ho mpanao gazety avy amina sekoly ambaratonga ambony. Tsy vitsy koa anefa ireo mpiasan’ny haino aman-jery sy mpihaza vaovao solontena avy amin’ny faritra 22, ankoatran’Analamanga no tonga nanatrika izany. « Mivantana », io no anaran’ny tafatafan’ny samy mpanao gazety, dinika narahina adihevitra niresahana ny lohahevitra « La liberté de presse, à l’ère du numérique », tao amin’ny Carlton Anosy.
Nanentana ny adi-hevitra sy namaly ny fanontaniana ireo namana samy mpanao gazety. Ankoatra ireo mpandray anjara fototra tahaka ny mpitarika ny adihevitra nahitana an’I Abraham Razafy, Lova Rabary sy ireo nasaina toa an’ ny mpamorona ny gazety an-tranonkala voalohany, ny avy amin’ny actus orange Madagascar ary Mialisoa Randriamampianina, tonian-dahatsoratry ny tambazotra Malina an’ny Transeparency interantional initiative Madagascar, samy nametraka ny fanontaniana ireo mpanao gazety maro. Hita ho ho miverina amin-kery ny firaisankinan’ny mpanao gazety isaky ny mankalaza hetsika toy izao saingy zarazarain’ny tombontsoa sy ny tondrozotram-panoratana ary ny politika izy ireny andavanandro. Tsikaritra hatrany anefa fa mandala fihavanana izy ireo fa tsy araka ny fahitana ny fahasamihafan’ny lokon’ny politika mapmpiasa azy ireo.
Noëlah Sabrina
Sary OJM : Liana amin’ireo mpanao gazety mpametraka fanontaniana ireto namany izay nitondra fanentanana sy fanazavana ny nimerika sy ny asa an-gazety.
Visible sur madatopinfo.com

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930