Madatopinfo

 Flash Info

FANDEFASAM-BOLA ETO MADAGASIKARA : Azo raisina amin’ny MVola avy hatrany ny vola alefa avy amin’ny Orange Money Europe

FANDEFASAM-BOLA ETO MADAGASIKARA : Azo raisina amin’ny MVola avy hatrany ny vola alefa avy amin’ny Orange Money Europe

FANDEFASAM-BOLA ETO MADAGASIKARA : Azo raisina amin’ny MVola avy hatrany ny vola alefa avy amin’ny Orange Money Europe
février 05
13:34 2024

Nanomboka ny tapaky ny volana janoary 2024, tsy misahirana intsony ireo mpampiasa ny Orange Money Europe amin’ny alalan’ny Thunes raha handefa vola ho an’ny mpanjifa MVola eto Madagasikara. Izany no natao dia hanamorana ny fifanakalozana ara-bola eto an-toerana sy any ivelany indrindra ireo malagasy mila ravinahitra any ampitan-dranomasina. Araka ny fanazavana voaray, afaka mandefa vola amin’ny kaonty MVola eto an-toerana ireo Malagasy mikirakira ny « application Orange Money Europe » ao Allemagne, Belgique, Espagne, France, Italie ary Pays-Bas. izao fiaraha-miasa izao moa dia tafiditra tanteraka anatin’ny firosoana amin’ny « digitalisation » hanamorana hatrany ny fahafahanan’ny mpanjifan’izy ireo mifandefa vola eo noho eo amin’ny fotoana rehetra (24h/7j), haingana ary azo antoka araka ny tarigetran’ny MVola.
Tsy mila manakalo vola intsony ny mpanjifa maharay ny vola avy amin’ny Orange Money Europe fa avy hatrany dia Ariary no tonga ao amin’ny kaonty MVola, isan’ny tombony ho an’ny mpanjifa MVola misitraka ny tolotra izany. Afaka manatona ireo cashpoint toy ny mahazatra rehefa hanao ny fisitonam-bola na « retrait ». Tsy misy ahiana ny fandefasam-bola amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny Thunes sy MVola. Nanamafy ny Tale Jeneraly eo anivon’ny MVola, Louis-Olivier Favo fa noho ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny samy tambajotram-pifandraisana dia afaka misitraka ny fandraisam-bola amin’ny sarany mora ny mpanjifa. « Izany ihany koa dia mampifamatotra ny fifandraisana sy ny fihavanana na sarahan’ny elanelan-tany aza », araka ny fanampim-panazava nentin’ny Tale Jeneralin’ny MVola.
Tsiahivina fa efa aman-tapitrisany maro ny mpanjifany manerana ny Nosy ary tsy mitsaha-mivoatra ny tolotra fitehirizana sy findramam-bola ary ny fiantohana. Ny taona 2018 no lasa « 1er Etablissement de Monnaie Eléctronique (EME) » eto Madagasikara ny MVola ary voahosotra ho banky nomerika voalohany eto Madagasikara tamin’ny taona 2021.
Tamin’ny taona 2023 kosa no lasa FinTech voalohany miasa any amin’ny Ranomasimbe Indianina nahazo mari-pankasitrahana B Corp ny MVola.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930