Madatopinfo

 Flash Info

« CONGRES DU DISTRICT 417 »: I Madagasikara no mampiatrano amin’ity taona ity andiany faha-4

« CONGRES DU DISTRICT 417 »: I Madagasikara no mampiatrano amin’ity taona ity andiany faha-4

« CONGRES DU DISTRICT 417 »: I Madagasikara no mampiatrano amin’ity taona ity andiany faha-4
mai 05
15:04 2022

Eny amin’ny Radisson Blu Ambodivona ny « Congrès du District 417 » ny Lions Rotaract ety anivon’ny ranomasimbe Indiana andiany faha efatra. Mivondrona ao anatin’izany i Madagasikara, Djibouti, Maorisy, Nosy La Réunion ary Mayotte . Mifandimby mandray azy io ny firenena mpikambana isan-taona, noho ny valanaretina Coronavirus anefa dia nihato izany nandritra ny 2 taona, ary amin’ity taona 2022 ity dia i Madagasikara no hampiantrano izany. Ny alakamisy 5 Mai ka hatramin’ny sabotsy 7 Mai no hanatanterahana ity fihaonambe ity. Isan’ ny fandaharam-potoana mandritra ny Kongresy ny fifidianana izay hitarika mandritra ny fe-potoam-piasana 3 taona manaraka. Ankoatra izay, ahitana fampisehoana sy fampahafantarana ireo kojakojan’ny Lions rehetra ihany koa eny an-toerana amin’ny alalan’ny « Boutique Lions ». Ankoatra ny fianakaviamben’ny LION sy LEO eto amin’ny Ranomasimbe Indiana, nanatrika ny fanokafana ny kongresy sy ny konferansa Leo ny Ministry ny jono sy ny toekarena manga, Paubert Mahatante, solontenan’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny, ny solontenan’ny Antenimierandoholona sy ireo olo-manan-kaja maro.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930