Madatopinfo

 Flash Info

HAKANTO CONTEMPORARY: Hitohy hatramin’ny 4 Septambra 2021 ny fampiratiana « Beyond all you are mine »

HAKANTO CONTEMPORARY: Hitohy hatramin’ny 4 Septambra 2021 ny fampiratiana « Beyond all you are mine »

HAKANTO CONTEMPORARY: Hitohy hatramin’ny 4 Septambra 2021 ny fampiratiana « Beyond all you are mine »
juin 05
08:10 2021

« Beyond all you are mine », fanambarana feno hafaliana manoloana ny ho avy manjavozavo. Hatraiza ny fetra! Hanao ahoana ny ampitso », hetsika goavana hifaneraseran’ny mpanakanto sy mpankafy izay hotanterahana eny amin’ny Galerie Alhambra etsy Ankadimbahoaka amin’ny alalan’ny Hakanto Contemporary, tohanan’ny Fonds de Dotation HY. Araka ny fampahafantarana, dia hitohy hatramin’ny 4 Septambra 2021 ny fampiratiana noho ny hamehana ara-pahasalamana sy ny fihibohana nateraky ny Covid-19 teto amintsika. Mandritra ny hetsika fampiratiana dia hentitra ny fandraisana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra ary hisokatra ny alatsinainy manomboka amin’ny 2 ora tolakandro hatramin’ny 6 ora hariva ny ivotoeram-papiratiana, ny talata hatramin’ny zoma kosa dia amin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 6 ora hariva. Azon’ny rehetra atao tsidihana ny fampiratiana ny sangan’asan’ny artista malagasy sy vahiny ao an-toerana ary maimaim-poana ny fitsidihana. Tsiahivina fa ny « Beyond all you are mine » dia atolotr’i Joël Andrianomearisoa ary isan’ireo mpanakanto handray anjara kosa i mentalKliniK, Rina Ralay Ranaivo ary Temandrota. Tanjona amin’ny hetsika moa ny hanome sehatra ahafahan’ny artista malagasy mivoatra mahita ny zava-misy eto an-toerana sy any ivelany. Hiavaka tokoa araka izany ny hetsika ary malalaka ny toerana azon’ireo mpankafy tsidihana satria raha ny fantatra dia mirefy 300 metatra toradroa.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031