Madatopinfo

 Flash Info

KAOMININA AMPITATAFIKA: Olona miisa 3.292 no nisitraka ny tosika fameno

KAOMININA AMPITATAFIKA: Olona miisa 3.292 no nisitraka ny tosika fameno

KAOMININA AMPITATAFIKA: Olona miisa 3.292 no nisitraka ny tosika fameno
juin 19
15:00 2020

Notanterahana nanomboka ny alakamisy 18 Jona lasa teo ary hifarana ny talata 23 Jona hoavy izao ny fizarana tosika fameno 100.000 ariary raha ho an’ny Kaominina ambanivohitra Ampitatafika izay ahitana Fokontany 13. Eny Tanimenabe kosa no nosafidian’ny Kaominina hitsinjarana izany mandritra ireo andro ireo. Araka ny fanazavana nentin’ny tompon’andraikitra voalohany teo anivon’ny Kaominina Ampitatafika dia miisa 65.000 ny mponina ao aminy ka ny 3.292 isa amin’ireo ihany no ihany nahazo io tohana ara-bola avy amin’ny Governemanta Malagasy io. Raha atao ny kajikajy dia manodidina ny 5 isan-jaton’ny mponina ao an-toerana no nandray izany na dia ny 80 isan-jaton’ny olona ao anatin’ity Kaominina ity aza dia tantsaha avokoa. Araka ny fantatra hatrany, mizara roa mazava tsara ny fizarana ity vola 100.000 ariary ity tany an-toerana, eo aloha ny fandraisana ny vola amin’ny alalan’ny Paositra Money ary eo ihany koa ny Mvola.
« Tsy misy hidiran’ny Sefo Fokontany na ny Ben’ny Tanàna velively ny fikarakarana sy ny fanasivanana ny olona mahazo ity tosika fameno ity fa ny FID (Fonds d’Intervention pour le Développement) avokoa no manatanteraka izany. Ny fanomezana ny toerana hizarana izany ihany kosa no noraisin’ny Kaominina sy ny mpiara-miombon’antoka an-tanana », hoy ny Ben’ny Tanàna Lefitra voalohany eo anivon’ny Kaominina Ampitatafika, Jocelyn Marinot Randrianarivony. Nanambara ihany koa ny tenany fa misy ny fitairanana napetrak’ireo olona tsy tafiditra tao anatin’ny lisitry ny nahazo ary avy hatrany dia ny FID no tompon’andraikitra mandray izany fa ny Kaominina velively.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930