Madatopinfo

 Flash Info

MINISTRY NY FITSARANA: Tsy nahazoana alalana ny hetsika fotsy eny amin’ny 13 Mai rahampitso

MINISTRY NY FITSARANA: Tsy nahazoana alalana ny hetsika fotsy eny amin’ny 13 Mai rahampitso

MINISTRY NY FITSARANA: Tsy nahazoana alalana ny hetsika fotsy eny amin’ny 13 Mai rahampitso
novembre 03
16:15 2023

« Tsy ara-dalàna sady tsy nahazoana alalana ny hetsika fotsy kasaina hotanterahana eny amin’ny kianjan’ny 13 Mai rahampitso sabotsy 4 Novambra 2023 », io no azo hamehezana ny fanambaran’ny Mpitahiry ny Fitombokaseam-panjakana, Ministry ny Fitsarana Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety androany atoandro teny Faravohitra. Nohantitranteriny fa tany tan-dalàna i Madagasikara ary izay no hanaovana izao fanambarana fampatsiahivina izao mialoha hahafantaran’ny olompirenena sy ireo mpitarika ny hetsika. Mamaritra sy mifehy ny famoriam-bahoaka, ny hetsika an-kalamanjana sy an-dalambe ny didy hitsivolana 60-082 tamin’ny 13 Aogositra 1960, araka ny nambaran’ny Ministra hatrany. Ny andininy faha-08 izany no milaza fa ilaina fahazoan-dalana mialoha ny fanatanterahana ny hetsika ary ny andininy faha-11 amin’io didy hitsivolana io kosa dia mamaritra fa ny tsy fahazoana alalana dia heloka ary mahavoasazy 15 andro ka hatramin’ny enim-bolana, lamandy 1.000 ka hatramin’ny 100.000 ariary. Nohamafisiny ihany koa fa ireo kandida manatanteraka fampielezan-kevitra dia manaja ny fanambarana an-tsoratra mialoha eny amin’ny solontenam-panjakana araka ny lalàna fehizoro 2018-008 tamin’ny 11 Mai 2018. Izao fanambarana izao araka izany dia manamafy ny teo aloha izay efa nambaran’ny eo anivon’ny Governemanta.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930