Madatopinfo

 Flash Info

GTPS: Teny Andrainarivo no nikaon-doha ireo mpikatroka eo anivon’ny Fiahiana ara-tsosialy

GTPS: Teny Andrainarivo no nikaon-doha ireo mpikatroka eo anivon’ny Fiahiana ara-tsosialy

GTPS: Teny Andrainarivo no nikaon-doha ireo mpikatroka eo anivon’ny Fiahiana ara-tsosialy
mai 10
08:56 2022

Raha efa tamin’ny taona 2016 no niforona teto Madagasikara ny fivondronan’ireo mpiantsehatra eo amin’ny fiahiana ara-tsosialy na ny GTPS (Groupe Thématique de la Protection Sociale), hamafisina indray izany ankehitriny tamin’ny alalan’ny fivoriana. Notanterahana omaly alatsinainy 9 Mey lasa teo teny amin’ny Panorama Andrainarivo izany. Ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Mponina, Miarisoa Patricia Rakotonirina izay nisolotena ny Ministra Princia Soafilira kosa no nitarika ny fikaonan-doha. Nandritra io fotoana io, nisy ny fifanakalozan-kevitra, fandrindrana ny asa sy fijerena manokana ireo olana mety hitranga eny ifotony sy hitondrana vahaolana mikasika izany. Hiompana amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny misehatra amin’ny fiahiana ara-tsosialy manerana ny Nosy moa izany. Tafiditra sahady ao anatin’ny vinavina enti-manavao ny Paikady nationaly ho an’ny fiahiana ara-tsosialy araka izany ity atrikasa ity indrindra mandritra ny iray volan’ny Fiahiana ara-tsosialy izay tsiahivina fa efa natomboka ny zoma 6 Mey 2022.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930