Madatopinfo

 Flash Info

TOBIN-TSOLIKA GALANA ETO ANTANANARIVO: Mizara « gel hydroalcoolique » ho an’ny mpanjifa hatramin’ny 31 Mai

TOBIN-TSOLIKA GALANA ETO ANTANANARIVO: Mizara « gel hydroalcoolique » ho an’ny mpanjifa hatramin’ny 31 Mai

TOBIN-TSOLIKA GALANA ETO ANTANANARIVO: Mizara « gel hydroalcoolique » ho an’ny mpanjifa hatramin’ny 31 Mai
mai 22
09:30 2020


“Galana, miaro ny fahasalaman’ny mpandeha taxi-be”. Amin’izao vanim-potoanan’ny fahamehana ara-pahasalamana sy ny fepetra fihibohana amin’ny ampahany mihatra eto Antananarivo izao, dia misy ny hetsika miavaka atolotry ny Galana Madagagascar ho fitsinjovana ireo mpisehatra amin’ireny fiara fitanteram-bahoaka ireny na ny taxi-be izany. Isan’andro nanomboka ny 18 Mai ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 31 Mai hoavy izao ny fizarana “gel hydroalcoolique” maimaim-poana ho an’ireo mpampily sy ny mpanampiny tonga manjifa eny anivon’ny Galana manerana an’Antananarivo. Izany moa dia ampiasain’izy ireo mandritra ny fiasany ary indrindra ihany koa hanasan’ny mpandeha ao aminy tanana hiadiana amin’ny valan’aretina covid-19. Araka ny fantatra, tanjona ankoatra ny fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifa amin’ity hetsika goavana ity ny fandraisana andraikitra ataon’ny Galana ho fiarovana ny mpandeha, ny mpamilly ary ny mpanampiny manoloana izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenentsika izao.
Ankoatra izay, efa nisy ny famendrahana fanafody maimaim-poana ireo fiara, môtô, kamiao rehetra nanjifa solika teny amin’ny tobin-tsolika Galana rehetra ny 4 Mai lasa teo.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930