Madatopinfo

 Flash Info

FIATREHANA NY COVID-19: Olona 400 no nisitraka ny tohana ara-tsakafo avy amin’ny « Opération Smile »

FIATREHANA NY COVID-19: Olona 400 no nisitraka ny tohana ara-tsakafo avy amin’ny « Opération Smile »

FIATREHANA NY COVID-19: Olona 400 no nisitraka ny tohana ara-tsakafo avy amin’ny « Opération Smile »
juin 15
07:46 2020

Tamin’ny taona 2007 no nanomboka teto Madagasikara ny « Opération Smile » izay vondrona miahy sy miaro ny olona manana fahasembanana eo amin’ny molotra toy ny sima sy vaky lanilany. Nandritra izay fotoana nijoroany teto amintsika izay dia fantatra fa mihoatra ny 3.500 ny isan’ny Malagasy efa nisitraka ny fandidiana tamin’ny alalan’ity hetsika ity. Raha tsiahivina, tamin’ny volana Martsa lasa teo no nanatanterahana ny andiany faha-13 tamin’ny hetsika fandidiana ny Opération Smile izay notanterahana tany Antsirabe nandritra ny herinandro. Manoloana ny fisian’ny valanaretina « coronavirus » eto amintsika amin’izao fotoana izao anefa dia fantatra fa tsy afaka manatanteraka izany izy ireo. Na dia izany aza anefa dia tsy nitazam-potsiny ireo olona izay tokony hiatrika ny fandidiana na ihany koa ireo efa nodidiana ny « Opération Smile » fa nizara tsiky hatrany ary nitondra ny anjara birikiny amin’izao vanim-potoanan’ny fahamehana ara-pahasalamana izao. Raha ny tamin’ny volana Mai lasa teo izy ireo no nizara ny tohana ara-tsakafo andiany voalohany ity vondrona ity, ny sabotsy 13 Jona lasa teo kosa ny andiany faharoa tamin’izany izay notanterahana teny amin’ny HJRA Ampefiloha. « Fanampiana toy ny vary, menaka, ronono ary voamaina tokony haharitra ankohonana misy olona 4 mandritra ny tapa-bolana ireo nozaraina ireo », hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Opération Smile, Mamy Ramamonjisoa. Raha ny fantatra, manodidina ny 400 no fitambaran’ireo efa nisitraka ny tohana ara-tsakafo avy amin’ity vondrona ity tamin’izay andiany roa izay ary avy amin’ireo Faritra mihiboka no laharam-pahamehana tamin’izany. « Voasokajy ho marefo ny olona sima na vaky lanilany, ka izay no antony hanohanan’ny Opération Smile azy ireo. Eo ihany koa ny tokony hananan’izy ireo fahasalamana feno sy hisorohana ny mety tsy fahampian-danja mialohan’ny fandidiana », hoy hatrany ny fanampim-panazavana. Raha ny eto Madagasikara manokana dia manodidina ny 500 ireo olona miandry ny fandidiana, nambaran’ny tompon’andraitrika ihany koa fa miankina amin’ny toe-draharaha ara-pahasalamana amin’ity valanaretina « coronavirus » ity no fotoana hanohizana ny andiany manaraka amin’izany fandidiana hotanterahan’ny Opération Smile izany.

Mickah R.

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031