Madatopinfo

 Flash Info

JIDIFFATO: Nanolotra fanampiana ara-bola ho an’ireo fianakaviana niharam-boina tao Soanierana Ivongo

JIDIFFATO: Nanolotra fanampiana ara-bola ho an’ireo fianakaviana niharam-boina tao Soanierana Ivongo

JIDIFFATO: Nanolotra fanampiana ara-bola ho an’ireo fianakaviana niharam-boina tao Soanierana Ivongo
décembre 31
03:09 2021

Loza nisesisesy! Manoloana ny zava-nitranga mikasika ny faharendrehan’ny sambo MS Francia III tao Soanierana Ivongo ny 20 desambra lasa teo izay namoizana ain’olona 80 mahery, sy ny fianjeran’ny angidimby izay namoizana mpiray tanindrazana roalahy, dia naneho ny fiaraha-miory tamin’ireo fianakaviana niharan-doza ny fikambanana « Jiron’ny dimby sy faran’ny Faritanin’i Toamasina » na JIDIFFATO. Teny Tsaralalana, ny alarobia 29 desambra teo no nanambaran’ny mpikambana izany tamin’ny mpanao gazety. Niarahaba manokana ireo rehetra tsy maty fo aman’aina ihany koa ny fikambanana ary nosinganina manokana tamin’izany ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarmaria, ny Jeneraly Serge Gellé amin’ny maha ray aman-dreny zanak’i Toamasina azy.
Ankoatra izay, teo ihany koa ny hai-trano sy tsena nitranga tao Soanierana Ivongo ny zoma 24 desambra, naharavana ny fiharian’ny mponina. « Eo anatrehan’izany zava-niseho izany, manolotra vola 100.000 ariary ny fikambanana JIDIFFATO hanampiana ireo fianakaviana tra-boina ho fiaraha-mientana amin’izany», hoy ny Filohan’ny JIDIFFATO, Jean Rémi Randriamanjaka.
Ity fikambanana misehatra amin’ny lafiny ara-tsosialy ity moa dia miandrandra ny fisokafan’ny fanadihadiana manoloana ireo tranga ireo hahafantarana ny anton’ny niavian’ny loza ary koa handraisana fepetra hentitra hisorohana ny tranga tahaka izao.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930