Madatopinfo

 Flash Info

PSIKOLOGY ETO MADAGASIKARA: Niakatra 20 isan-jato ireo mpitsidika ny tranokala

PSIKOLOGY ETO MADAGASIKARA: Niakatra 20 isan-jato ireo mpitsidika ny tranokala

PSIKOLOGY ETO MADAGASIKARA: Niakatra 20 isan-jato ireo mpitsidika ny tranokala
avril 28
08:41 2022

Tsy fahitan-tory, fahasemporana, tsy fifantohana, ireo no isan’ny voka-dratsy ara-batana ateraky ny fitaintainana na ny tebiteby. Izany indrindra no nahatonga ny Holatry ny psikology eto Madagasikara nisafidy io lohahevitra io ary nahafahana namelabelatra ny fitaintainana sy ny tontolo nandritra ny zaikabe iraisampirenena ho an’ny psikology. Teny Ambodivona ny alarobia 27 Aprily lasa teo no nanatanterahana ity andiany fahatelo ity izay natrehan’ny mpisehatra maro toy ny mpitsabo, psikology avy eto an-toerana sy avy any ivelany, mpianatra sy olon-tsotra ary mamaim-poana ny fandraisana anjara. Nitondra ny famelabelarana nifandimby tamin’izany i Benjamin Abdessadok, Marc Medori, Dokotera Evah Raobelle ary Faliavo Ramasiarisolo. « Tanjona ny hahafahana mampahafantatra ny fisehon’ny fitaintainana eo amin’ny toe-tenan’ny olombelona. Afaka miatrika izany avokoa mantsy ny tsirairay fa rehefa lavareny ny fitebitebena dia mitarika fikorontanan-tsaina », hoy ny Filohan’ny Holafitry ny psikology eto Madagasikara, Koloina Andrianilaina. Tamin’ny alalan’ny zaikabe ihany koa no nahalalana fa manampy sy manoro lalana ny olona ny psikology. Araka ny fantatra, nahitana fiakarany ny olona manantona azy ireny amin’izao fotoana izao ary nitombo 20 isan-jato ny mpitsidika ny tranonkala azy ireny indrindra nandritra izay taona vitsivitsy nisian’ny valanaretina Coronavirus izay, sy ny resaka herisetra mifototra amin’ny mahalahy na mahavavy (VBG). Mbola olana eto Madagasikara nefa ny tsy fahampian’ny isan’ny psikology, 41 monja mantsy no isan’izy ireo manerana ny Nosy raha ny voalazan’ny Filohan’ny Holafitra hatrany. Hitohy amin’ny alalan’ny fikaonan-doha eny Tsimbazaza moa ity zaikabe iraisampirenena ho an’ny psikology andiany fahatelo ity ny sabotsy 30 Aprily ho avy izao.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930