Madatopinfo

 Flash Info

VOVONANA IFI: « Tsy hivadi-belirano amin’ny Filoha Rajoelina izahay »

VOVONANA IFI: « Tsy hivadi-belirano amin’ny Filoha Rajoelina izahay »

VOVONANA IFI: « Tsy hivadi-belirano amin’ny Filoha Rajoelina izahay »
février 06
06:59 2021

Nisesisesy tamin’ity herinandro ity ireo karazana fanambarana notanterahan’ireo antoko poilitika, olom-boafidy, fikambanana sy vovonana samy hafa mikasika ny fahitana ny toe-draharaha eto amintsika izao. Ho an’ny Vovonana Isika Fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina na IFi, notanterahana ny zoma 5 febroary teny Antaninarenina ny fanambarany tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety. Fanambarana izay niarahan’ny Birao Nasionaly sy ny Biraom-paritany ary ny Biraom-paritry ny IFi namolavola. Nandritra izany no nanambaran’ity Vovonana ity ho ren-tany ho ren-danitra fa tsy hivadi-bemirano amin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny IFI. Nisaotra ny Filoha ihany koa ny vovonana ny tamin’ny fahatokisany ny IFI ary nanendrena ho Loholon’i Madagasikara ny Filoha Nasionaliny, Richard Ramanambitana. « Tsy nisy ny IFI raha tsy teo i Prezida Andry Rajoelina nampitambatra ireo fikambanana maro manerana ny Nosy tamin’ny vanim-potoanan’ny fampielezan-kevitra. Izany no hanambarana fa ny IFi izany dia mpiara-miasa akaiky amin’ny TGV », hoy hatrany ny fanambarana. Nanamafy ihany koa ity vovonana ity fa hifanome tanana sy hiara-hiasa hatrany amin’ny fitondram-panjakana indrindra amin’ny fanataterahana ny Velirano 13 an’ny Filoham-pirenena. Tsiahivina moa fa ny taona 2018 no nitsangana ny IFI ary manana ny tarigetra: « Fifankatiavana, firaisan-tsaina, fifanomezan-tanana ».

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031