Madatopinfo

 Flash Info

PLATEFORME ETAT REGIONAL: Hanolotra rafitra sy Lalàm-panorenana vaovao eto Madagasikara

PLATEFORME ETAT REGIONAL: Hanolotra rafitra sy Lalàm-panorenana vaovao eto Madagasikara

PLATEFORME ETAT REGIONAL: Hanolotra rafitra sy Lalàm-panorenana vaovao eto Madagasikara
mars 20
10:22 2022

« Lova tsara apetraka ho an’ny taranaka faramandimby » io no teny filamatry ny Plateforme Etat Régional izay tafatsangana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 18 martsa lasa teo teny Anosy ary nampahafantarina nandritra izany ireo Birao mpikambana mandrafitra azy. Fotokevitra ijoroan’ity Vovonana ity ny famerenan-kasina ny faritra amin’ny alalan’ny fampiakarana ny fahefan’ny faritra tsirairay manerana ny Nosy, tsy famatsiam-bola ihany no voaresaka amin’izany fa ny fiainana amin’ny ankapobeny mihitsy na ara-piarahamonina, na lafiny hetra sy ny hafa.
Laharam-pahamehana ho an’ny Plateforme Etat Régional ihany koa ny famerana ny fahefana foibe. Raha eo amin’ny sehatry ny kolontsaina indray kosa, hivoy hatrany ny fampiasana ny teny Malagasy izy ireo ary Antananarivo dia averina amin’ny anarana ara-drazana hoe: « Imerina ». Hiaro ny mahaizy azy ny faritra tsirairay na faritany ny Plateforme Etat Régional. Nambara tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety fa tsy ilaina ny Birao mahaleotena miandraikitra ny fifidianana (CENI) sy ny BNGRC na ny Birao nasionaly miasahana ny tandindomin-doza sy ny loza voajanahary.
Nohamafisin’i Eliana Bezaza, Sekretera Jeneralin’ny Antoko PSD ihany koa fa tsy hamehana ny fifidianana izay hotanterahana amin’ny 2023, fa tokony hiompana amin’ny fandaminana sy ny fandriampahalemana eto Madagasikara aloha. Ankoatra izay, efa miakatra ny vidim-piainana ka tsy voatohitra intsony ny taham-pahantrana eto amin’ny firenena, hoy izy, ary manginy fotsiny ny adim-poko efa manangasanga. Ny fametrahana ny rafitra Etat regional araka izany dia heverin’ity Plateforme tafatsangana ity fa hitondra mankany amin’ny fanafoanana ny karazana olana ianjadian’ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao. Manodidina ny 20 moa no antoko mivondrona ao amin’ny Plateforme Etat Régional ary tsy manakatom-baravarana izy ireo fa misokatra amin’ny rehetra na antoko politika, na fikambanana sy olompirenena tsotra izay resy lahatra sy vonona ny hifanakalo hevitra.

M.R

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031