Madatopinfo

 Flash Info

MVOLA: Hanakaiky sy hanatsara kokoa ny andavanandron’ny mpanjifa

MVOLA: Hanakaiky sy hanatsara kokoa ny andavanandron’ny mpanjifa

MVOLA: Hanakaiky sy hanatsara kokoa ny andavanandron’ny mpanjifa
février 01
16:15 2024

Anman-tapitrisany maro ankehitriny ny mpanjifa Mvola manerana an’i Madagasikara, tsy mitsahatra mikaroka ny mitondra fanavaozana ny orinasa hanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifany. Tahaka izany ny fandefasana vola any ivelany manketo Madagasikara izay nahazoana fiaraha-miasa tamin’ny Orange Europe, ireo rehetra maniry ny handefa vola eto an-toerana araka izany dia afaka manatanteraka izany amin’ny alalan’ny Orangemoney Europe. Ankoatra izay, maro ihany koa ireo mpiara-miasa amin’ny MVola, toy ny Taptap Send, MVola Comores, HOLO, MoneyGram izay ahafahana mandefa vola ho an’ny mpanjifa eto an-toerana. Ho an’ny Carte MVola izay ahafahana manao achats en ligne sy ny boost page, diahisy ny fanatsaranaa ity tolotra ity raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra misahana ny serasera nandritra ny dinika niarahana tamin’ny mpanao gazety izay notanterahana teny Alarobia mikasika ny famelabelarana sy zava-bita sy ny vinan’ny MVola amin’ity taona 2024 ity. Nanamafy ny Tale Jeneraly eo anivon’ny MVola, Louis Olivier fa « Mitondra ny anjara birikiny eo amin’ny lafiny ara-tsosialy ihany koa ny MVola, toa ny M’Hetsika MVola. Mbola hitombo ny kianja natokana ho an’ny fanatanjahantena ho atsangana, raha teo aloha mantsy teto amin’ny Faritra Analamanga ihany no nisitra ity fandaharan’asa ity, hisitraka izany koa ny Faritra hafa manerana ny Nosy ».
Issan-taona ihany koa ny MVola dia manantanteraka fambolen-kazo ho fiarovana ny tontolo iainana. Raha ny zoma 26 Janoary lasa teo ny fanokafana ofisialy ny taom-pambolenkazo 2024, dia ny zoma 16 Febroary kosa no hanatanterahan’ny fianakaviamben’ny MVola izay hatao any Ankazobe. Raha ny fanazavana hatrany, tamin’ny taon-dasa dia 5.000 no isan’ny zanakazo novolena, hitombo 3 avo heny kosa izany amin’ny taona ity, izany hoe, 15.000 zanakazo. Tsy hijanona eo amin’ny fambolen-kazo ihany ny MVola, fa hisy hatrany ny fanaraha-maso hatrany ireo hazo novolena.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930