Madatopinfo

 Flash Info

ANOSIZATO ATSINANANA: Nahazo kianja filalaovam-baolina tamin’ny alalan’ny M’Hetsika MVola

ANOSIZATO ATSINANANA: Nahazo kianja filalaovam-baolina tamin’ny alalan’ny M’Hetsika MVola

ANOSIZATO ATSINANANA: Nahazo kianja filalaovam-baolina tamin’ny alalan’ny M’Hetsika MVola
mai 03
06:15 2021

Isan’ny toerana ahitana ankizy sy tanora maro iny amin’iny faritra Anosizato sy ny manodidina iny. Mampitaraina ny ankamaroan’izy ireo anefa ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasa malalaka ahafahana mialavoly toy ny kianja filalaovam-baolina isan-karazany. Amin’izao fotoana izao kosa nahazo toerana manaraka ny fenitra takiana amin’ny fanatanjahantena izy ireo tamin’ny alalan’ny MVola sy ny Fondation Axian niaraka tamin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny fikambanana ASCJA (Association Sportive et Culturelle des Jeunes d’Anosizato). Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 30 aprily lasa teo ity kianja vaovao ao Anosizato Atsinanana ity izay ahafahana milalao taranja maromaro tahaka ny baolina kitra, ny basketball sy ny volley ary koa ahitana « vestiaires » ho an’ny vehivavy sy lehilahy. Misy toerana natokana ho an’ireo mpankafy kilalaon-tsaina maro samihafa ihany koa izany fotodrafitrasa vaovao izany toy ny fanorona. Araka ny fantatra, isan’ny tanjon’ny fandaharan’asa M’Hetsika MVola ny fampiroboroboana ny fanaovana fanatanjahantena ho an’ny tanora, eo ihany koa ny lafiny ara-panabeazana sy fahasalamana. Nanatrika ny fitokanana ny Ben’ny Tanàna CUA, Naina Andriantsitohaina izay nanambara fa zava-dehibe ho an’ny Kaominina iadidiany izao toerana fanaovana fanatanjahantena izao ary nankasitraka ny mpiara-miombon’antoka, ny Fondation Axian sy ny MVola ny tenany amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny fandaharan’asa M’Hetsika MVola. Mifanojo tanteraka amin’ny vina laharana fahafito an’ny CUA rahateo koa moa ny fanonezana toerana malalaka sy manarapenitra ho an’ny tanora indrindra hisorohana ny fironana amin’ny zava-mahadomelina. Tonga nanotrona ny lanonam-pitokanana ihany koa ny Tale Jeneralin’ny MVola, Matthieu Macé sy ny ny Tale Mpanatanteraka eo anivon’ny Fondation Axian, Isabelle Salabert.
Ny fikambanana ASCJA araka izany no mitantana ity kianja ity ary ny Kaominina Antananarivo renivohitra kosa no misahana ny fanaraha-maso. Ny MVola ao anatin’ny Vondrona Axian no nanohana ara-bola ka nahazoana ity kianjan’Anosizato Atsinanana ity. « Soatoavina tiana havoitra sy hampitaina amin’ny tanora izay misitraka ity kianja vaovao eto Anosizato ity ny finamanana sy ny firaisan-kina », hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny MVola, Liana Ramiandrisoa. Tsy mialonjafy izany toerana izany fa afaka misitraka avokoa na vondron’olona na olon-tsotra saingy misy kosa ny fepetra tsy maintsy arahan’ny tsirairay raha ny voalazan’ny Filohan’ny ASCJA.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930