Madatopinfo

 Flash Info

ORINASA STAR: Namoaka « application mobile STARnaka »

ORINASA STAR: Namoaka « application mobile STARnaka »

ORINASA STAR: Namoaka « application mobile STARnaka »
juillet 24
07:00 2020

Mbola ao anatin’ny fihibohana hiadiana amin’ny valanaretina covid-19 isika amin’izao fotoana izao. Na dia izany aza anefa, miezaka manakaiky ny mpanjifa hatrany ny orinasa Star satria efa misy ankehitriny ny atao hoe: « application mobile STARnaka » izay azo sarihana maimaimpoana ao amin’ny Android Store sy IOS izany. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Foiben-toeran’ny Star Andraharo moa ity « application » vaovao be ity. Fantatra nandritra izany fa ho afa-pahasahiranana tokoa ny mpankafy sy mpanjifa ny zava-pisotro Star manomboka izao satria ahafahan’izy ireo manafatra ny vokatra Star safidiany jifaina ny ao amin’ny STARnaka ary voaatitra avy hatrany any amin’ny toerana tiana hanaterana azy izany. « Efa misy olona misahana manokana ny fanaterana ny vokatra Star safidian’ny mpanjifa ao amin’ny STARnaka ary manaraka ny fenitra ara-pahasalamana izy ireo indrindra amin’izao vanim-potoana hiadiana amin’ny coronavirus eto amintsika izao », hoy ny fanazavana nentin’ny tompon’andraikitra misahana ny serasera amin’ny haino aman-jery eo anivon’ny orinasa Star, Valérie Razafiarimiadana. Eto Antananarivo moa no hisantarana ny fanaterana amin’izao fanombohana izao. Ankoatra izay, ahitan’ny mpanjifa ireo fihenambidy sy tolotra ary hetsika ataon’ireo mpiara-miasa amin’ny Star ihany koa ao amin’ny STARnaka amin’ny alalan’ilay atao hoe: « Bons plans ». Hita ao avokoa araka izany ireo toerana rehetra mety ilaina toy ny ireo toeram-pisakafoana sy ireo toeram-pilanonana akaiky anao, hoy hatrany ny fanazavana. Ny GPS ao aminy mantsy dia mampahafantatra ireo toerana tsara andehanana akaikin’ny toerana misy ilay mpanjifa n’aiza n’aiza eto Madagasikara.
Fanampin’izay, efa misokatra ihany koa amin’izao fotoana izao ny pejy « facebook » STARnaka mba ahafahan’ny mpikirakira tambazotran-tserasera rehetra manaraka tsy tapaka ny vaovao sy ny lalao ary ny tsara ho fantatra mikasika io « application mobile STARnaka » io.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930