Madatopinfo

 Flash Info

GROUPE METROPOLE : Nanolotra medaly ireo mpiasa 7, hanolo-tanana fampianarana ankizivavy 15

GROUPE METROPOLE : Nanolotra medaly ireo mpiasa 7, hanolo-tanana fampianarana ankizivavy 15

GROUPE METROPOLE : Nanolotra medaly ireo mpiasa 7, hanolo-tanana fampianarana ankizivavy 15
octobre 02
16:03 2023

Notanterahina ny sabotsy 30 septambra teo, teny amin’ny bois vert Ankadindravola Ivato, ny fanomezana maripankasitrahana sy mariboninahitra ireo mpiasa fito an’ny farmasia Groupe Métropole. «Fankasitrahana ireo mpiasa no notanterahina tety Ivato. Mandray anjara amin’ny fanasoavana ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny tetikasa fandraisana an-tanana ny fampianarana ankizivavy 15 izay sahirana ara-pivelomana ny mpiasa ato amin’ny groupe Métropole. Vina izay hotanterahina ato anatin’ny 3 taona manaraka. » Hoy i Dokotera Vololona Rabetsaroana Rakotovao Ravahatra, PCA an’ny Société Waka.
“Adraikitry ny Fanjakana ny manolotra medaly ho an’ireo mpiasa nahavita mihoatra ny 15 taona. Noho ny fihobohana dia maro ireo atontantaratasy mangataka izany avy amin’ny mpampiasa fa efa manezaka amin’izany fizarana mariboninahitra izany ny fitondrana izay mijoro. Mitondra hery ho an’ny mpiasa izy ireny.” Hoy i Mahefa Herilaza Rafalinindrina, inspecteur de travail.
“Maro ny traikefa sy ny fahalalana norantovina nanditra ny 40 taona mahery. Nampivelatra tamin’ny sehatra maro ny fanampian’ny orinasa”, raha ny filazan’ny mpiasa iray nandray medaly.
Nankasitraka ny solontenan’ny Fitondram-panjakana sy ny mpiandraikitra ny orinasa ary ny mpiara-miasa aminy kosa i Francia Anjarasoa, solontenan’ireo nandray medaly.
Nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny mpikabary izay nifandimby fa ny ezak’ireo mpiasa no mampandroso fatratra ny Goupe Métropole. Tsiahivina moa fa ity farany no vondrana farmasia voalohany teto Madagasikara. Nitsangana ny taona 1949 ny Groupe Métropole izay ivondronana farmasia 6 eto Andrenivohitra sy any amin’ny Faritany. Mampiavaka azy ny fanabeazana sy fanomezana hery ireo tsy salama tonga mividy fanafody ao aminy.
Haja Nirina

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930