Madatopinfo

 Flash Info

ESP BIG: Mivoatra manaraka ny teknolojia ny fampianarana ao aminy

ESP BIG: Mivoatra manaraka ny teknolojia ny fampianarana ao aminy

ESP BIG: Mivoatra manaraka ny teknolojia ny fampianarana ao aminy
juillet 10
05:30 2023

Ampinga iray entin’ny tanora miditra eo amin’ny sehatry ny asa mifandraika amin’ny fianarana noratovony ny kalitaom-pampianarana eo anivon’ny sekoly. Ho an’ny ESP BIG (Etablissement Supérieur Professionnel Specialisé en Informatique), tsy latsa-danja amin’ireo sekoly ambony marobe misy eto an-toerana ny mpianatra mivoaka ao aminy. Porofon’izany ireo mpianatra nahazo ny mari-pahazaina tao izay efa mitàna andraikitra ambony na eo anivon’ireny sampan-draharaha miankina amin’ny fanjakana ireny na ihany koa any amin’ny orinasa tsy miankina. Nandritra izay 33 taona nijoroany izay, nivoatra hatrany ny fampianarana sy ny fotodrafitrasa ary ny fitaovam-pampianarana. « Zava-baovao eto anivon’ny ESP BIG ny fahaleovantenan’ny mpianatra amin’ny zavatra ianarany mivoatra manaraka ny teknolojia. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny asa iraisana toy ny Workshops sy ny Développement personnel ary ny fananan’ny mpianatra fandavantena amin’ny famolavolana tetikasa», hoy ny Tale Jeneralin’ny ESP BIG, Keavan Rantoanina. Isan’ny mampiavaka ity sekoly ambony ity ny teknikam-pampianarana, manomboka ny taona voalohany mantsy ny mpianatra dia efa mahay mikirakira ny informatika amin’ny ankapobeny. Ny taona faharoa kosa no manomboka miompana amin’ny tetikasam-pandraharahana. « Tsy voatery ho siantifika ny mpianatra vao tafiditra ato amin’ny ESP BIG, fa raisina avokoa izay manana diplaoma bakalorea», araka ny fanampim-panazavan’ny Talen-tsekoky sady mpanorina ny ESP BIG, Ravaoholisoa Dorette Sahondra. Manaraka ny fenitra fampianarana ny fitaovana eo anivon’ity sekoky tsy miankina ity, vinan »ny tompon’andraikitra ny hampisy ny fampianarana ampitain-davitra amin’ny taona ho avy. Tsy misahirana intsony koa ny mpianatra amin’ny fitadiavana ireo orinasa amin’ny fanofanana arak’asa fa efa misy mpiara-miombon’antoka amin’ny ESP BIG, raha ny nambaran’ny mpiandraikitra hatrany, anjaran’ny mpianatra kosa no mametraka fangatahana araka ny lohahevitra hosafidiany.
Tsiahivina fa manodidina ny 2.000 ireo mpianatra efa navoakan’ity sekoly ambony tsy miankina ity hatramin’izay 30 taona mahery niorenany izay. Manaraka ny rafitra LMD ny sekoly, ho an’ny DTS sy Licence dia misy ireto lalam-piofanana ireto: Génie logiviel, Systènes et réseaux, Webmaster/webdesigner, Informatique de gestion ary Informatique multimédia. Ahitana lalam-piofanana roa kosa ho an’ny Master dia ny Science et ingénierie informatiques, sy ny Technologie de l’information et de la communication.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031