Madatopinfo

 Flash Info

MADAVISION : Hiverina amin’ny heriny ny « La grande braderie de Madagascar »

MADAVISION : Hiverina amin’ny heriny ny « La grande braderie de Madagascar »

MADAVISION : Hiverina amin’ny heriny ny « La grande braderie de Madagascar »
mai 01
10:50 2022

Raha tamin’ny taona 2019 no farany nisy ny hetsika ara-barotra sy ara-ekonomika « La grande braderie de Madagascar » izay nahafantarana ny Madavision hatramin’izay, hiverina amin’ny heriny kosa izany amin’ity 2022. Nampahafantarina tetsy Ankorondrano ny Alarobia 27 Mai lasa teo fa hotanterahana ny 26 ka hatramin’ny 29 Mai ho avy izao ny « La grande braderie de Madagascar » izay hotanterahana eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina. « Mampiavaka ity andiany ity ny fampiharan’ny mpivarotra rehetra ny fihenam-bidy mihoatra ny 15 isan-jato mandritra ireo 4 andro ireo. Tranoheva manodidina ny 150 no handray anjara, izy ireo izay hanaraka ny fenitra ara-kalitao avokoa », hoy ny mpikarakara, Harilala Ramanantsoa. Hahazo vahana amin’ity hetsika ara-barotra ity ny vokatra vita malagasy mba hahafahan’ny mampiroborobo izany. Hibahan-toerana amin’ny « La grande braderie de Madagascar » ny akanjo, kiraro, poketra, ny haingo amam-bika sy ny hafa amin’ny maha ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Reny izany. Ahitana kojakojan-tokatrano sy lakozia, haingon-trano, fanaka, kilalao, fitaovana manaraka ny teknolojia isan-karazany ary sakafo ihany koa amin’ity hetsika ity. Ankoatra izay, misy toeram-pijanonana malalaka natokana ho an’ny fiara ao an-toerana, tsy latsa-danja ihany koa ny fampanjakana ny fandriampahalemana ary efa misy ny mpandrindra matihanina amin’izany. Ny Madavision rahateo efa tsy zoviana amin’ny fikarakarana hetsika ara-barotra goavana tahaka izao hanomezana fahafaham-po hatrany ny mpanjifa.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930