Madatopinfo

 Flash Info

SERASERAN’NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY: Nankatoavina teny Antaninarenina omaly

SERASERAN’NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY: Nankatoavina teny Antaninarenina omaly

SERASERAN’NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY: Nankatoavina teny Antaninarenina omaly
mai 19
07:30 2022

Fitaovana iray hahafahana mampahafantatra ny mpiantsehatra sy ny rantsa-mangaika amin’ny fiahiana ara-tsosialy ny serasera. Notanterahana teny Antaninarenina ny alarobia 18 Mey teo araka izany ny atrikasa nentina nankatoavana ny paikady ho an’ny seraseran’ny fiahiana ara-tsosialy. Hisy ny tondrozotra mikasika ny serasera amin’izany ary hanatontosa fidinana ifotony hihaona amin’ireo mpisitraka ny fiahiana ara-tsosialy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina aorian’izay. Nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Fiahiana ara-tsosialy, Ghisbert Rivomanana fa tsy mandoa latsa-kemboka ireo mpisitraka ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara araka ny voasoritra ao anatin’ny politikan’ny Fiahiana ara-tsosialy. Nankatoavina niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy avy any ivelany nandritra io atrikasa io ary ny paikady ho an’ny seraseran’ny fiahiana ara-tsosialy, izany moa dia ahafahana manatsara ny sehatry ny serasera momba ny asa rehetra. Ity atrikasa ity rahateo dia mbola tafiditra amin’ny fanamarihana ny iray volan’ny Fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930