Madatopinfo

 Flash Info

FIAHIANA ARA-TSOSIALY MAMPIATY: Tokony jerena manokana ireo olona manana fahasembanana

FIAHIANA ARA-TSOSIALY MAMPIATY: Tokony jerena manokana ireo olona manana fahasembanana

FIAHIANA ARA-TSOSIALY MAMPIATY: Tokony jerena manokana ireo olona manana fahasembanana
mai 10
14:49 2022

« Ndao hiara-hientana isika ho fiahiana ara-tsosialy mampiaty ». Voailikilika eny anivon »ny fiaraha-monina, tsy misitraka ny asam-panjakana, tsy voahaja ny ara-potodrafitrasa, ireo no isan’ny mbola olana sedrain’ireo olona manana fahasembanana ara-batana sy ara-tsaina eto Madagasikara. Tanjon’ny Fiahiana sosialy amin’ny alalan’ny Minisyeran’ny Mponina mandritra ny iray volan’ny « Protection sociale » ny manatanteraka ny adidika amin’ny fitondram-panjakana hanomezana sehatra ho an’izy ireny. Nisy araka izany ny atrikasa izay notanterahana nytapak’andron’ny talata 10 May niarahana tamin’ireo solontenan’ny fikambanana miahy azy ireny, nandray anjara nandritra izany ihany koa ireo olona manana fahasembanana samy hafa. Fanamarihana mpandray anjara nandritra ny atrikasa ny tsy fisian’ny mpandika teny tanana ka nangatahan’ny avy amin’ny CBM ny hanampiana azy ireo mandritra ny hetsika izay atao mba hampiroboroboana ny fampiatiana eto amin’ny firenena. Miisa 45 monja mantsy ireo mpandika teny tanana eto Madagasikara ary ny 2 amin’izy ireo ihany no miasa eo amin’ny sehatra ara-panjakana. Soson-kevitra natolotr’izy ireo ny tokony hanampiana ny isan’izy ireo. Voaresaka ihny koa ny momba ny fitaovana ampiasain’ny olona manana fahasembanana tahaka ny tehana, ny fitaovana amin’ny sofina ampiasain’ireo manana olana ara-pihainoana, ny « fauteuil roulant » izay tena aman’hetsiny ny vidiny. Nifandimby nitondra ny famelabelarana nandritra ity atrikasa momba ny olona manana fahasembanana sy ny Fiahiana sosialy teny Andrainarivo ity moa ny PFPH, UNICEF, MPPSPF, DGP/DGPS, OPM, UNICEF New York, HI, Development Patways, FID.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930