Madatopinfo

 Flash Info

HAKANTO COTEMPORARY : Hitohy hatramin’ny faran’ny volana Martsa 2023 ny fampirantiana « Revue noire »

HAKANTO COTEMPORARY : Hitohy hatramin’ny faran’ny volana Martsa 2023 ny fampirantiana « Revue noire »

HAKANTO COTEMPORARY : Hitohy hatramin’ny faran’ny volana Martsa 2023 ny fampirantiana « Revue noire »
novembre 26
05:46 2022

« Esprit revue noire une collection fondatrice » io no lohahevitra mandritra ny fampirantiana izay tanterahana etsy amin’ny Hakanto Cotemporary, Alhambra Ankadimbahoaka. Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny tolakandron’ny sabotsy 26 Novambra izany, ary hitohy hatramin’ny faran’ny volana Martsa 2023 araka ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety izay notanterahana teny an-toerana ny alakamisy 24 Novambra lasa teo. Miavaka tanteraka, miala amin’ny mahazatra ny maso no hita mandritra ity fampirantiana andiany fahaenina ity, maneho ny fanomezan-danja an’i Afrika amin’ny alalan’ny fakàna sary afrikanina sy mampiseho ny fitambaran’ny fahasamihafana misy amin’izany toerana izany. Sary miisa 140 an’ireo mpanakanto afrikanina no aseho amin’ny fampirantiana Revue Noire eto Antananarivo ity ary i Jean Loup Pivin sy Pascal Martin Saint Leon kosa no mpitantana sy mpandrindra ny hetsika. Azo tsidihan’ny olona rehetra ny Hakanto Cotemporary Ankadimbahoaka, na mpianatra na fikambanana na ihany koa olon-tsotra izay liana amin’izany. Efa niodina tao Paris, Bienal de São Paulo, Washington, New York ary Londres moa ity fampirantiana ity. Tsiahivina fa efa nandalo tao amin’ny Hakanto Cotemporary, Alhambra Ankadimbahoaka ny hetsika fampirantiana toy ny « Beyond all you are mine », « Ny Fitiavanay, Our Love, Notre Amour », « Ramily ilay nanao ny maraina » izay nahitana mpitsika manodidina ny 7.000, « Ilay tanana vaovao » kosa nisy mpitsidika hatramin’ny 3.000. Ny Hakanto Cotemporary izay tohanan’ny Fonds Yavar Houssen rahateo manome lanja aman-kasiny ny sehatry ny kolontsaina ary mampiroborobo sy manandratra izany hatrany. Hiompana amin’ny tontolon’ny lamba kosa moa ny fampirantiana manaraka amin’ny volana May 2023 raha ny nambaran’i Joël Andrianomearisoa kosa no mpitantana ara-java-kanto eo anivon’ny Hakanto Cotemporary.
Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930