Madatopinfo

 Flash Info

FAMPILALAOVANA KILONGAN’NY AEA SY NY ONG MERCI : “Nahazo fafinaretana ireo manana fahasembanana, afapo kosa ireo hafa”

FAMPILALAOVANA KILONGAN’NY AEA SY NY ONG MERCI : “Nahazo fafinaretana ireo manana fahasembanana, afapo kosa ireo hafa”

FAMPILALAOVANA KILONGAN’NY AEA SY NY ONG MERCI : “Nahazo fafinaretana ireo manana fahasembanana, afapo kosa ireo hafa”
juin 21
12:40 2021

Nanatanteraka fialamboly ho an’ny ankizy miisa 21 ny association enfants Antananarivo, AEA sy ny ONG Merci. Ny sabotsy 19 Jiona teo no natao izany teo amin’ny birao fiasan’ny AEA, eny 67ha atsimo. Nilaza ho afapo ireo ankizy tomady ara-batana an’ny AEA izay niara-nilalao tamin’ireo manana fahasembanana an’ny ONG Merci. Etsy andaniny, dibokafaliana koa ireto farany. “Nahatsiaro sambatra manokana aho izay tsy mahita fa mahare ny feon’ireo ankizy feno fitiavana anay izay miara-milalao taminay manana fahasembanana.” Hoy i Nirina Marie Prisca Saholiarimalala, kilasy T8 amina sekoly iray eny Anosibe.
Ity farany moa izay nahiratra tsara talohan’ny fahatelo taonany fa nankinin’ny rainy mba hotrotroin’ny olona iray kinanjo nosafoin’ity heverina fa olondratsy ny masony ka niha narary ary izao niafara tamin’ny tsy fahitana tanteraka izao. Voalazan’i Holiniaina Rakotoarisoa na Holy, lehibe mpanorina ny ONG Merci mpiantsehatra amin’ny sehatry ny fahasembanana fa sady ala voly no fampianarana ireo ankizy tomady ara-batana mba tsy hanilika ireo niangaran’ny vintana ny hetsika. Volazan’ity Filoha mpanorina sady mpitarika ny ONG Merci ity moa fa afapo tanteraka izy ireo. Ankoatra ny lalao dia misy koa ny fiaraha-misakafo.
Fiaraha-miasa
Voalazan’ny mpiandraikitra roa tonta fa fanombohana fiaraha-miasa izao fampiatiana ankizy amin’ny lalao izao. “Noho ny hamehana ara-pahasalamana dia alefa tsikelikely ny hetsika ka ny andiany manaraka dia ny 3 jolay ho avy izao”. Hoy i Heriniana Marie Christine, mpandrindra ny tetikasan’ny AEA, raha nitafa tamin’ny mpanao gazetinay. Tanjona ny fampitoviana lenta ny ankizy mba tsy hampisy elanelana ny fahasembanana. Samy miantsehatra amin’ny zon’ny ankizy moa ireto fikambanana roa niray hina ireto ny faran’ny herinandro teo, teny 67ha.
Ny ONG Merci manampy ireo manana fahasembanana amin’ny sehatra maro mba hioitra amin’ny fiainana ka tsy ho vesatry ny fiaraha-monina fa hitondra fampandrosoana ho azy ireo sy ny ankohonany ary ny firenena. Ny AEA kosa dia nitsangana ny taona 2012 izay mpanome tosika fahalalana an’ireo mpanala fanadinam-panjakana, fampianarana teny vahiny, lalao ho an’ireo mpikambana 103 isaky ny alarobia tolakandro sy ny sabotsy. Manatanteraka fanampiana fahazoana kopia ihany koa izy ireo any amin’ny faritra. Voalaza fa hahazo tombondahiny amin’izany ireo sembana noho izao fiaraha-miasa matotra izao.
Sary : Eo afovoany mipetraka Holiniaina Rakotoarisoa, Filoha mpanorina sady mpitarika ny ONG Merci (Ankavia), Heriniana Marie Christine, mpandrindra ny tetikasan’ny AEA.
Haja Nirina

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930