Madatopinfo

 Flash Info

STK FJKM : Handray anjara amin’ny fanohanana ny fanangana fiangonanana ao Bemahatazana

STK FJKM : Handray anjara amin’ny fanohanana ny fanangana fiangonanana ao Bemahatazana

STK FJKM : Handray anjara amin’ny fanohanana ny fanangana fiangonanana ao Bemahatazana
décembre 10
13:35 2022

« Fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao » I Tim 4 : 12b, io no lohahevitra hoenti-manohana ny fananganana trano fiangonana ao Bemahatazana Miandrivazo SP 36. Mikarakara hetsika ara-pilazantsara lehibe ny Sampana Tanora Kristiana eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara izay hampitondraina ny lohateny hoe : « Noely Fihobiana ». Hotanterahana ny zoma 23 Desambra ho avy manomboka amin’ny 3 ora tolakandro eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina izany raha ny fanazavan’ny Mpitandrina Andriamalala Solomon Jean Dénis, Filoha Nasionalin’ny STK FJKM. Amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana no hanokafana ny « Noely Fihobiana » amin’io andro io. Aorian’izay, hifandimby an-tsehatra haneho ny talentany mandritra ny lanonam-piderana ny Antoko mpihira STK, ary handray anjara amin’ny fitoriana ny fialazantsara an-kira ihany koa i Rija Ramanantoanina, Bodo, Rojo Ny Avo, Henri Ratsimbazafy, Luc, Mahery, Laurent Rakotomamonjy.
« Hiavaka ny seho ary ho feno tanteraka, fotoana iray hizarana fifaliana indrindra amin’ny maha ankatoky ny fety ny andron’ny 23 Desambra. Hisy ny fampiaraham-peon’ireo mpanakanto zanaky ny fiangonana nasaina sy ireo antokom-pihira STK », hoy i Rija Ramanantoanina.
Tsy misy ny vidim-pidirana amin’ny « Noely Fihobiana », ny valopy ho fanomezan-tanana ny fotodrafitrasa kosa dia hotatazana eo am-pidirana. Raha ny momba ny karatra fanasana indray dia efa azo raisina eny amin’ny Foibe FJKM varavarana faha-511 na any amin’ny Fitandremana, raha ny fanazavan’i Tonia STK Foibe, Hoby Raonarison.
Manasa ny olon-drehetra araka izany ny Sampana Tanora Kristiana eo anivon’ny FJKM hiara-hihoby sy hifaly ary indrindra hanandratra ny voninahitr’Andriamanitra amin’io fotoana io

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930