Madatopinfo

 Flash Info

CUA-« LECTURE EN RIRE » : Famakiana boky amin’ny endrika fampihomehezana

CUA-« LECTURE EN RIRE » : Famakiana boky amin’ny endrika fampihomehezana

CUA-« LECTURE EN RIRE » : Famakiana boky amin’ny endrika fampihomehezana
août 02
13:04 2023

“Anjara andraikitray eto amin’ny tanànan’ Antananarivo ny mampivelatra ny mpisehatra sy manome fialamboly ,fanitaran-tsaina, ny vahoaka tantanina. Izany hoe, manelanelana ny mpisehatra sy ny vahoaka ”, hoy ny Lehiben’ny Sampandraharaha misahana ny Kolontsaina, haikanto ary ny vaky boky ao amin’ny Fitaleavana misahana ny Haikanto, kolontsaina ary ny fiainam-piarahamonina, Hira Andriamanamihaja.Vaky boky hampifandraisina amin’ny haikanto. Hanitarana ny sain’ny ankizy sy ny tanora ny hetsika “lecture en rire”, indray mandeha isam-bolana, Alarobia faharoa amin’ny volana, mifandimby isaky ny boriborintany enina, eto Antananarivo Renivohitra. Anjaran’ny boriborintany faharoa indray, ny Alarobia 9 aogositra ho avy izao, ny misitraka famakiana boky amin’ny endrika fampihomehezana sy kanto hafa, toy ny “slam.
Tontosa ny 12 jolay lasa teo, ny teo anivon’ny boriborintany voalohany, hitohy hatramin’ny boriborintany fahaenina.Nanomboka tamin’ity volana jolay ity ary haharitra hatramin’ny volana desambra ho avy izao ny hetsika, raha ny fanazavan’ny mpikarakara hatrany. Maimaimpoana ny hetsika, karakarain’ny sampandraharaha misahana ny haikanto sy ny kolontsaina ary ny vaky boky, eo anivon’ny CUA. Hiresahana ny fiainana, manomboka eo amin’ny fahatanorana ny votoatiny ka hisarihana ny tanora mpianatry ny kolejy sy ny lisea indrindra indrindra. “Tanjona ny hampiala voly sy hanitatra ny sain’ny ankizy sy ny tanora ary hampivelatra ireo mpisehatra amin’ny fanaovana zava-kanto”, hoy ny mpikarakara. Marihina fa afaka manaraka ny pejy facebook-n’ny DACVC izay liana fa maro ny tolotra maimaimpoana omen’io sampandraharaha io ho an’ny vahoakan’Antananarivo.
Claude Erick Ravonjy

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031