Madatopinfo

 Flash Info

HATSIKANA SY FAMPIHOMEHEZANA: Hanolotra seho miavaka eny amin’ny Novotel i Fary

HATSIKANA SY FAMPIHOMEHEZANA: Hanolotra seho miavaka eny amin’ny Novotel i Fary

HATSIKANA SY FAMPIHOMEHEZANA: Hanolotra seho miavaka eny amin’ny Novotel i Fary
mai 10
16:22 2023

Hotanterahana eny amin’ny Novotel Alarobia ny sabotsy 21 Mey ho avy izao manomboka amin’ny 7 ora hariva ny fampisehoan’i Fary izay hampitondraina ny lohahevitra hoe: « Aime-moi, si tu peux ». Mialohan’ny hetsika fampihomehezana atolotr’ity mpanao hatsikana malaza manerantany ity, dia hisy ny seho hiarahana amin’ny TGC, BoGasy ary ny mpanao hatsikana malagasy Sombiniaina. Amin’ny 9 ora alina kosa no hiaka-tsehatra i Fary ary vinavinaina haharitra adiny iray sy fahefany izany. « Ho an’ny Telma, voalohany izao no manao tantsoroka mpanakanto vahiny tahaka izao, noho ny lazany iraisampirenena amin’ny sehatry ny fampihomehezana ary ihany koa manohana ny kolontsaina eto an-toerana amin’ny alalan’ny filatroana fitafiana maha-Malagasy », hoy ny fanazavan’ny Talen’serasera eo anivon’ny Telma, David Calmel nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny Andraharo ny talata lasa teo. I Fary rahateo dia milomano tanteraka amin’ny lamaody. Efa azo jifaina ao Ticketplace https://bit.ly/3plpn4T ny tapakila amin’ity hetsika ity, raha ny nambaran’i Nate, mpikarakara. Fantatra fa fa 100 000 hatramin’ny 250 000 ariary ny vidin’ny tapakila ary mpijery manodidina ny . 700 no andrasana hifamotoana eny amin’ny Novotel. Haharitra 3 andro moa ny fivahinianan’i Fary eto Madagasikara ary hampafantarina azy mandritra izany ny kolontsaina malagasy sy ny mombamomba ny Nosy amin’ny ankapobeny.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930