Madatopinfo

 Flash Info

SENDIKA SVS: Lany ho Filoha Nasionaly i Lantoarimalala Ravonintsoa

SENDIKA SVS: Lany ho Filoha Nasionaly i Lantoarimalala Ravonintsoa

SENDIKA SVS: Lany ho Filoha Nasionaly i Lantoarimalala Ravonintsoa
décembre 21
05:30 2020

Tao anatin’ny telo andro no nanatanterahan’ny mpikambana eo anivon’ny SVS (Syndicalisme et Vie des Sociétés Madagascar) ny Kongresy izay nanavaozana ny sata mifehy sy ny fitsipika anatiny ary indrindra ny fifidianana ireo Birao Nasionaly hitantana mandritra ny 5 taona. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 19 lasa teo teny Ampefiloha nandritra ny lanonam-pamaranana io Kongresy voalohany io ireo mpitantana vaovao ity sendika SVS ity izay tarihin’ny Filoha Nasionaly, Lantoarimalala Ravonintsoa. Nanambara ny tenany fa na dia teo aza ny dingana maro efa notanterahan’ny SVS, mbola misy ny tolona goavana atrehina dia ny fanatanterahana ny « Convention 190 » izany. « Tolona amin’iny taona 2021 iny ihany koa ny fampiroboroboana ny fiahiana ara-tsosialy, ny vehivavy sy ny fianakaviany », hoy hatrany ny Filoha Nasionaly vaovao. Lany ho Sekretera Jeneraly kosa i Barson Rakotomanga izay fantatra amin’ny tolona ho an’ny mpiasa indrindra ireo sehatra tsy miankina. Nampiavaka izany lanonana izany ny fiarahan’ny SVS sy ny Randrana Sendikaly nahazo ny  » 1er prix – Meilleur Défenseur des Droits de l’Homme 2020″ izay avy amin’ny Firenena Mikambana ny 10 desambra lasa teo ary naseho tamin’ny fomba ofisialy ny mpikambana tamin’ny sabotsy lasa teo. Tsy notazanim-potsiny fa nomena haja sy voninahitra tamin’ny alalan’ny fanolorana mari-pankasitrahana ihany koa ireo zoky ray aman-dreny nanorina ny SVS. Taorian’ny fandraisam-pitenenana nifandimby sy ny fampahafantarana ny Birao Nasionaly vaovao, nisy ny fiaraha-nikorana sy nisakafo niarahan’ireo fianakaviamben’ny SVS.

R.S.M

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031