Madatopinfo

 Flash Info

“EID UL ADHA” : Fetin’ny sorona izay natao ho fanampiana ireo mpiara-belona

“EID UL ADHA” : Fetin’ny sorona izay natao ho fanampiana ireo mpiara-belona

“EID UL ADHA” :  Fetin’ny sorona izay natao ho fanampiana ireo mpiara-belona
juillet 21
10:09 2021

Efa mihamahazo laka eto Madagasikara ny finoana Silamo. Maro no mihevitra azy ho fivavahan’ny fampihorohoroana. Ny atao hoe : “Islam” anefa dia midika hoe: “fivavahana feno fiadanana sy feno fandriam-pahalemana”. Anisan’ny fety lehibe ankalazain’ny Mozilmano manerana izao tontolo izao ny atao hoe “Eid ul Adha”,na raha adika dia fetin’ny sorona, ary isany amireo firenena 215 mankalaza azy io ny eto Madagasikara. Toy ny fanao isan-taona dia tsy diso anjara tamin’izany ny teto amin’ny “Association Musulmane Ahmadyya de Madagascar”Andavamamba. Izany dia notanterahina ny 20 jolay ho fahatsiarovana ny sorona izay nataon’ny mpaminany Abrahama.
Raha tsiahivina ny tantaran’izany fety fankalazana izany dia toy zao manaraka izao:
Araka ny voasoratra ao anaty Korano Masina dia mitantara ny zava-niseho izay nandalo tamin’ny fiainan’i ” Hadrat Ibrahim” sy ny zanany lahy “Hadrat Ismael”. Indray andro io lehilahy io dia nangataka sy nitalaho tamin’i ”Allah” na Andriananahary mba hanome azy zanaka lahy tsara fanahy.Nohenoin’I Allah ny fitalahoany ary nitso-drano azy Izy ka ny zanany lahy ihany no voatondro hatao sorona hoamin’izany. I Hadrat Ismael zanany lahy koa moa dia olon’Andriamanitra tokoa ka nanoro hevitra an-drainy izy ny hanatanteraka izay nibaikoan’I Allah tamin-drainy tanaty nofy. Rehefa vonona ny hanao sorona an-janany i Hadrat Ibrahim, ka raha iny hanapaka ny tendan-janany iny izy no indro nisy feo avy tany an-danitra nanambara fa efa tanteraka ny didy izay nomena azy fa ho solon’izany kosa dia atakalo ondry ilay sorona zanaka lahiny
Ary dia re laza tamin’ireo taranaka mifandimby moa izany, ka ho fahatsiarovana io sorona io no antony ankalazaina amin’ny fetin’ny “Eid ul Adha”
Araka ny fanambarana nataon’I Mpitarika ny Association Musulmane Ahmadyya de Madagascar Ahmed Mudassir izay misionera an-tsitrapo : “Manana tanjona izy ireo mba hanao asa soa ary hanampy ireo mpiara-belona sahirana isan-taona ary indrindra amin’izao vanim-potoana mandalo fasahiranana maneran-tany izao. Tsy misy fanavahana ara-pivavahana na ara-pinoana na ara-bolokoditra na ara-pirazanana na ara-pihaviana” .Koa tamin’ity andro fankalazana ny “Eid ul Adha” ity dia fianakaviana 2000 no nozaraina nofonkena mitam-pihavanana ho fanamarihana io fety lehibe io ary tsy ho diso anjara ihany koa ireo any amin’ny faritra hafa.Isika rehetra hoy hatrany ity Mpitarika ity dia tokony ho vonona hanao sorona rehefa ilaina izany. Tsy ny hena na ny rà alatsaka no tena zava-dehibe fa ny fahavononana hanatanteraka izany.
Marihina fa tanatin’ny fanajana ny fepetra amin’ny hamehana ara-pahasalamana ny fizotran’izany fizarana nofon-kena mitam-pihavanana izany, taorianan’ny famakiana tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny korano, toriteny, vavaka ary lahateny fohy nontontosan’ireo tompon’andraikitra. Ary nisaotra ny Fanjakana foibe moa ny fikambanana ny nanomezana azy ireo ny fahazoandalana malalaka ny hankalaza io fety lehibe io sy nanaovana ny sorona satria moa dia nataon’ny Fanjakana ho andro tsy hiasana fa handraisana karama ny andron’ny 20 jolay.
Hanitra RASOLONJATOVO

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930