Madatopinfo

 Flash Info

VONDRON’OLONA MIARO NY FITONDRANA : « Tsy ekena intsony ny fambolena korontana eto amin’ny firenena »

VONDRON’OLONA MIARO NY FITONDRANA : « Tsy ekena intsony ny fambolena korontana eto amin’ny firenena »

VONDRON’OLONA MIARO NY FITONDRANA : « Tsy ekena intsony ny fambolena korontana eto amin’ny firenena »
juillet 17
08:37 2022

Manoloana ny rivotra mitsoka eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, nanatanteraka fanambarana tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny Andrefan’Ambohijanahary ny Vondron’olona Miaro ny Fitondrana na VMF ny zoma 15 jolay lasa teo. Niantefa tamin’ireo sendika sasantsasany mitady hamboly korontana eo anivon’ireny sampan-draharaha an’ny Ministera ireny ka voakasik’izany ny sendikan’ny orinasa JIRAMA. « Efa manao ny ainy tsy ho zavatra ny Ministry ny angovo sy ny Akoranafo amin’ny fikaroham-bahaolana ho tombotsoan’ny firenena, koa aoka izay ny fanaovana fitaovana politika ny mpiasa ary tsy azo ekena ihany koa ny fanaovana takalon’aina ny vahoaka amin’ny alalan’ny kajikajy ambadika samihafa », hoy ny mpitondra tenin’ny VMF, Lafatra Rakotovololona. Isan’ny olana hatrehan’ny Jirama amin’izao fotoana izao, hoy ny fanamberana, ny fahapotehan’ny tobim-pamokarana ao Andekaleka, ny fiakaran’ny vidin-tsolika teo amin’ny tsena iraisampirenena, teo ihany koa ny trosan’ity orinasan-jiro sy rano ity sy ny fahabetsahan’ny fandaniana. « Tsy nitazam-potsiny ny Fitondram-panjakana fa nandroso vahaolana hatrany. Manao antso avo ho an’ny Filohan’ny Repoblika ihany koa ny VMF hijery akaiky ireo mihoa-pefy sy tsy mikatsaka ny tombotsoa iombonana eto amin’ny firenena », araka ny fanambarana.
Ankoatra izay, nanamafy ny Vondron’olona Miaro ny Fitondrana fa manohana hatrany ny fanatanterahana ny veliranon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Notanterahana ny tolakandron’io zoma io ihany koa moa ny Fivoriamben’ny mpikambana teny Tsimbazaza ary nisy solontena avokoa ny avy any amin’ny Faritra.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930