Madatopinfo

 Flash Info

BANK TO MVOLA: O ariary ny saran’ny famindràna vola amin’ny banky mankao amin’ny kaonty MVola

BANK TO MVOLA: O ariary ny saran’ny famindràna vola amin’ny banky mankao amin’ny kaonty MVola

BANK TO MVOLA: O ariary ny saran’ny famindràna vola amin’ny banky mankao amin’ny kaonty MVola
juin 01
18:20 2023

Tsy mila milahatra na mivezivezy mankany amin’ny banky mivantana intsony ny mpanjifa mpampiasa MVola manana kaonty any amin’ny banky raha hanatanteraka famindrana vola amin’ny kaonty. Azo atao avy hatrany ny mamindra ny volany ao amin’ny kaonty MVola na ihany koa ao amin’ny kaonty MVola mankany amin’ny banky. Amin’ny alalan’ny Bank to MVola na MVola to Bank no ahafahana mikirakira izany tolotra izany. Raha ho an’ny tolotra Bank to MVola manokana, 0 ariary ny saran’ny famindrana nanomboka ny alakamisy 1 Jona 2023 ho an’ny mpanjifa tsotra. Nihena ho 1 isan-jato kosa ny saran’ny famindràna ho an’ny tolotra MVola to Bank raha toa ka 2,5% izany teo aloha. « Mihamaro ny Malagasy mampiasa tolotra ara-bola nomerika mba handaminana ny fotoana sy mba hahazoana antoka ny fikirakirana ny vola. Isan’izany ny MVola izay mitondra fanavaozana isan’andro mba hanatsorana ny fiainana andavanandron’ny mpanjifa Malagasy tsirairay sy ho mpiara-miombon’antoka atokisany », hoy ny Tale Jeneraly lefitra eo anivon’ny Mobile Financial Services MVola, Heritiana Andrianalisoa.
Ankoatra izay, ny orinasa sy ny mpaninjara ihany koa dia mahazo tombony amin’ny fampihenana hatramin’ny 60% amin’ny famindràna vola, ka saram-pamindràna tokana ihany no hampiharina amin’ireo tolotra roa ireo. Tsiahivina fa miisa 6 ireo banky mpiara-miasa amin’ny MVola amin’izao fotoana izao: BNI Madagascar, BOA Madagascar, BMOI Vondrona BCP, Société Générale Madagasikara, Baobab Banque Madagascar ary MCB Madagascar.
Ho an’ireo mpanjifa te hisitraka ny tolotra kosa, fomba tsotra sady haingana no hotanterahana, mila manindry ny #111*1*8# na ihany koa mampiasa ny « application MVola ». Azon’ny mpanjifa atao ny mampiasa ireo tolotra ireo amin’ny fotoana rehetra manerana an’i Madagasikara. Raha toa kosa ka mbola tsy mifandray ny kaonty MVola sy ny banky dia mila manindry ny #111*1*8# ary manaraka ny toromarika ao anatin’izany izay mamaim-poana.

M.R

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930