Madatopinfo

 Flash Info

RAKIKIRA « Ho soa hatrany »: Hiparitaka tsy ho ela eny amin’ny Telma Shop manerana ny Nosy

RAKIKIRA « Ho soa hatrany »: Hiparitaka tsy ho ela eny amin’ny Telma Shop manerana ny Nosy

RAKIKIRA « Ho soa hatrany »: Hiparitaka tsy ho ela eny amin’ny Telma Shop manerana ny Nosy
novembre 25
05:50 2020

Elaela tsy nifankahita mivantana tamin’ny mpankafy azy ny tarika Ambondrona noho ny fisian’ny fihibohana nandritra ny volana maromaro. Manam-baovao lehibe hifampizarana amin’ireo mpakafy ity tarika ity ato ho ato. « Ho soa hatrany » io no lohatenin’ny rakikira vaovao fahafito avoakan’ny tarika Ambondrona. Hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny alakamisy 26 Novambra hoavy izao eny amin’ ny Telma Shop rehetra manerana an’i Madagasikara io rakikira vaovao io izay jifaina amin’ny vidiny 20.000 ariary. Ny Telma Madagascar ihany koa moa dia isan’ireo mpiara-miasa akaiky hatrany amin’ny tarika Ambondrona. « Ahitana hira vaovao be miisa sivy ao anatin’ny rakikira « Ho soa hatrany », izahay ihany no namorona sy nandrindra azy ireo », hoy i Beranto, mpitondra tenin’ny tarika. Nampahafantarina tamin’ny alalan’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny Ampasamadinika moa ny fivoahan’ity « album » fahafito ity omaly. Ankoatra izay, hisy fandaharam-potoana vitsivitsy homanin’ny tarika hihaonana amin’ny mpankafy atsy ho atsy ho fampahafantarana ny rakikira « Ho soa hatrany ». Ny akaiky indrindra amin’izany ny « showcase » mandritra ny 45 minitra arahina « séance dédicace » izay hotanterahana eny Talatamaty ny sabotsy 28 Novambra izao manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Nanentana ny mpankafy rehetra ny tarika Ambondrona hanjifa hatrany ny vokatra orizinaly.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930