Madatopinfo

 Flash Info

SIAE ANDIANY FAHATELO : Hanome sehatra ho an’ireo mpanao asa tanana malagasy

SIAE ANDIANY FAHATELO : Hanome sehatra ho an’ireo mpanao asa tanana malagasy

SIAE ANDIANY FAHATELO : Hanome sehatra ho an’ireo mpanao asa tanana malagasy
juin 03
18:34 2024

Isan’ny kitro ifaharan’ny toekarena eto Madagasikara fanomezana sehatra ho an’ireo mpandraharaha. Taorian’ny fandalovan’ny valanaretina covid-19 nandritra ny 3 taona mahery, sy ny ady teo amin’i Ukraine sy Rosia izay nampidangana ny vidin’entana, ary eo ihany koa ny olana ara-tontolo iainana toy ny fiovaovan’ny toetr’andro izay niteraka korontana ara-toekarena teto an-toerana. Ahafahana mivoaka amin’ireo olana ireo indrindra, dia nikarakara hetsika antsoina hoe : « Salon International des Acteurs Economiques » na SIAE ny Riano Agency. Miditra amin’ny andiany fahatelo ny SIAE amin’ity taona ity raha tamin’ny volana Oktobra 2022 kosa ny andiany voalohany ary ny volana Jona kosa ny faharoa. Araka ny fampahafantarana teny Andraharo ny alatsinainy 03 Jona, hotanterahana eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka ny SIAE 2024 ny 5 ka hatramin’ny 8 Jona ho avy izao.
« Tanjon’ny SIAE ny hampiroboroboana ny fifandraisana sy ny fifanakalozana eo amin’ireo mpisehatra ara-toekarena rehetra toy ny indostria, banky, ny angovo azo havaozina, sy ny maro hafa », hoy ny tompon’andraikitra Riano Agency, Nathalie Nirinarivelo. Ahitana varotra fampirantiana, valan-dresaka sy atrikasa arahina lohahevitra mifandraika amin’ny toekarena mandritra ireo 4 andro ireo. Isan’ny mampiavaka ity « Salon International des Acteurs Economiques » andiany fahetelo ity ihany koa ny fanomezana sehatra malalaka ireo mpanao asa tanana sy ny fivoizana ny « made in Madagascar ». Ankoatra izay, hisy ihany koa ny toerana manokana ho an’ny tolotr’asa indrindra ho an’ny tanora maniry ny hiantsehatra amin’ny fandraharahana. Amin’ity taona ity, azon’ny rehetra arahina amin’ny alalan’ny serasera ampitain-davitra ny famelabelaran-kevitra hiseho amin’ny SIAE. « Zava-baovao amin’ity ihany koa ny fisian’ny fiaraha-miasa amin’ny firenen-kafa tahaka an’i Mayotte, ahafahana mampisondrotra sy miditra amin’ny sehatra ambony kokoa hatrany », hoy hatrany ny tompon’andraikitra.
Fotoana iray hihaonan’ireo mpisehatra ara-ekonomika na miankina amin’ny fanjakana na tsia, voasokajy ao avokoa na ny orinasa madinika, salantsalany sy lehibe araka izany ity hetsika iraisampirenena ara-toekarena izay hotanterahana eny amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka ity.

M.R.

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

juillet 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031