Madatopinfo

 Flash Info

FIKAMBANANA MEALSESPOIRS : Ankizin’Anosibe manodidina ny 500 isan’andro no hisitraka tohana ara-tsakafo

FIKAMBANANA MEALSESPOIRS : Ankizin’Anosibe manodidina ny 500 isan’andro no hisitraka tohana ara-tsakafo

FIKAMBANANA MEALSESPOIRS : Ankizin’Anosibe manodidina ny 500 isan’andro no hisitraka tohana ara-tsakafo
septembre 02
06:54 2022

Fokontany iray anatin’ny Boriborintany faha efatra no misy ny Fokontany Anosibe Ivolairay ary ahitana vakimparitra miisa 5 mandrafitra azy. Manodidina ny 10.000 ny mponina ao aminy ka ny 50 isan-jaton’ireo dia sahirana avokoa, mivelona amin’ny fanasan-damba sy ny fivarotana enta-madinika ny ankamaroan’izy ireo raha ny nambaran’ny Lehiben’ny andrimasom-pokonolona, Felix Rasolonjatovo. Vokatr’izany fahasahiranan’ny Raiamandreny izany, betsaka ny ankizy no tsy mianatra na miala an-daharana any an-dakilasy. Izany indrindra no antom-pisian’ny fikambanana iraisampirenena misehatra amin’ny mahaolona antsoina hoe : « MealEspoirs », manome tosika ny ankizy hianatra na amin’ny alalan’ny fiantohana ny fitaovam-pianarana izany na ihany koa ny fanomezana azy ireo tohana ara-tsakafo ity fikambanana ity. Nanokatra ivon-toeram-pisakafoana ho an’ny ankizin’ny lalana ny MealEspoirs ary nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny talata 31 aogositra teny amin’ny sekoly « Iles aux enfants » Anosibe Ivolairay ny hetsika. Nanatrika izany ny fianakaviamben’ny fikambanana MealEspoirs eto Madagasikara izay notarihan’ny Filohany, Cyrille Casalis sy ny Filoha Lefitra Christina Corbett. Fanentanana, seho toy ny dihy, hira arahina zava-maneno nentim-paharazana ary noravahana fitafy miavaka no nentina nanamarihana ity fotoana ity. « Manome sakafo atoandro isan’andro ho an’ny ankizy eto Anosibe ny MealEspoirs, 170 aloha hatreto no misitraka izany fa ny tanjona ny hahatrarana hatramin’ny 500 manomboka ny volana oktobra ho avy izao. Sakafo ara-pahasalamana toy ny vary, legioma, hena indray na indroa isan-kerinandro, ny faran’ny herinandro kosa voamaina miampy salady. Manodidina ny 150.000 euro kosa no fitambaran’ny vola ampiasaina amin’ity tohana ara-tsakafo ity ao anatin’ny 3 taona », hoy ny Filohan’ny MealEspoirs.
Ankoatra ny fanomezana sakafo, nampiditra ankizy 60 any amin’ny EPP ihany koa izy ireo ny amin’ity taona ity. « Afa-pahasahiranana izahay raiamandrenin’ny mpianatra noho ny fisian’ny MealEspoirs teto an-toerana, na ny fianaran’ny ankizy na ny sakafo dia iantohan’izy ireo. Afaka misitraka ny zony toa ny ankizy rehetra ny zanakay ankehitriny », hoy ny solontenan’ny raiamandreny tafaresaka tamin’ny mpanao gazetinay eny an-toerana. Ankoatra an’i Madagasikara, fantatra ihany koa fa nandritra ny fihibohana tany Frantsa dia efa nanomboka nanome sakafo ho an’ireo olona sahirana ara-pivelomana ny MealEspoirs, taorian’izay efa nankany Sudan nanolotra sakafo 400 isan’andro izy ireo.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930