Madatopinfo

 Flash Info

ISSOF: Hampiroborobo ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara

ISSOF: Hampiroborobo ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara

ISSOF: Hampiroborobo ny sehatry ny toekarena eto Madagasikara
mars 07
09:06 2022

Manana anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fahaiza-mintantana indrindra ny ara-toekarena. Mbola betsaka ny orinasa malagasy mila fanohanana ara-piofanana isan-karazany hahatrarana izany. Izany indrindra no nahatonga ny hetsika antsoina hoe:  » Next login » izay nokarakarain’ny ISSOF na Iscam Solutions Formation teny Antaninarenina ny zoma 4 martsa lasa teo. Nandray anjara nandritra ity « Next login » andiany voalohany ity ireo solontenan’ny mpitantana orinasa eto Madagasikara. « Ao anatin’ny vinan’ny ISSOF rahateo ny hampiroborobo ny sehatry ny toekarena eto amintsika amin’ny alalan’ny lafiny fitantanana », hoy i Mialisoa Rakotonirina, misahana ny serasera eo anivon’ny Iscam Solutions Formation. Lohahevitra telo no nifampizarana nandritra ny famelabelarana, voaresaka tao ny paikady mahomby eo amin’ny varotra, ny tontolon’ny haitao ary ny mikasika ny famokarana sakafo manaraka ny fenitra. Tafiditra tao anatin’ny fiofanana ihany koa fomba fiatrehan’ny orinasa ny valanaretina. Hita taratra tamin’izany ny fahazotoan’ny mpitantana orinasa nandray anjara tamin’ny « Next login » ary nilaza ny tompon’andraikitra fa hitohy isaky ny enim-bolana ny fiofanana tahaka izao.

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930