Madatopinfo

 Flash Info

ANDRAVOAHANGY SY NY MANODIDINA : Nirohotra nandoa hetra ireo tsy ara-dalana

ANDRAVOAHANGY SY NY MANODIDINA : Nirohotra nandoa hetra ireo tsy ara-dalana

ANDRAVOAHANGY SY NY MANODIDINA : Nirohotra nandoa hetra ireo tsy ara-dalana
décembre 07
06:42 2020

« Tonga misoratra anarana izahay mba tsy ho voaroaka amin’ny toeram-pivarotanay”. Hoy i Tafita Razafimahefa, raim-pianakaviana iray anisan’ireo nandray anjara tamin’ny hetsika « Anjara hetrako ». Tafiditra amin’ny fanentanan’ny foiben-ketra ho an’ny Boriborintany faha-III, Antananarivo Renivohitra moa iny hetsika teny Ambodivona sy Andravoahangy Tsena iny izay notanterahina ny zoma 4 desambra farany teo. « Misy ny hetsika tanterahin’ny foibem-pitantanan’ny hetra na Direction générale des impôts, DGI ho fanentanana ny mpivarotra handray anjara amin’ny hetra. Io no mahatonga ilay anarany hoe : « anjara hetrako ». Fanentanana ho an’ny Boriborintany eto Andrenivohitra sy ireo kaominina manodidina no ao anatin’ny tetik’asan’ny DGI. Ho an’ny Boriborintany fahatelo manokana, natomboka ny alakamisy 3 desambra tao Behoririka izany. Ny zoma kosa teto amin’ny centre commercial Avotra, Andravoahangy tsena sy Ambodivona. Ny Alatsinainy eny Besarety ary ny talata hitohy any amin’ny tranompokonolona Ankorondrano Andrefana. » Araka ny fanambaran’i Tafita Manitra Franck Ramiarintsoa, tomponandraikitry ny ivon-ketra Boriborintany faha-3, nandritra ny fanadihadiana manokana notanterahin’ny mpanao gazetinay.
Manohy ny fanambarany hatrany ity farany izay nitarika ny mpamory hetra fa : « Tanjona amin’ny hetsika » Anjara hetrako » ny fampidirana ireo rehetra tsy ara-dalana ho amin’ny ara-dalana. Nohamoraina tanteraka ny dingana sy ny taratasy ilaina amin’izany. Ilay tahan-ketra farany ambany ihany koa moa io 16 000 Ariary io izay alohan’izy ireo milahatra taza-maso izao. Izany endrika fanalefahana izany no anjara andraikitry ny foibe fitantanana ny hetra hanentanana ny olona hiditra amin’ny varotra ara-dalana. Tsiahivina fa naloa tamin’ny alalan’ny finday ny hetra ary teo noho eo ihany dia nahazo ny karatra ireo mpjvarotra.”
Tantsoroky ny fokontany
Tsikaritry ny sefo Fokontany fa nampirohatra ny mpivarotra hanara-dalana sy handoa hetra ny fidinan’ireo tomponandraikitra teny an-tsena. « Efa herinandro ny teo anivon’ny hetra no niara-nientana tamin’ny Fokontany nampafantatra ny mpivarotra mikasika io fandoavana hetra io. Fokontany maro teto amin’ny manodidina no nihazo tety Andravoahangy Tsena izay marihina fa nanana toerana malalaka.  » Hoy i Harilala Rahajanirina. Nanohy ny fanazavany ity mpiandraikitra eo Andravoahangy tsena ity fa : « Mazoto ny mpivarotra miditra amin’ny ara-dalana toy izao, rehefa midina ety ifotony ny mpiandraikitra. Hitany ihany ilay fotoana very mivezivezy mihazo an’ny foiben-ketran’ny Boriborintany faha-3 eny Faravohitra miampy ny famoriana ny atotan-taratasy ka nampalaina ireo olompirenena hatrizay. Amin’izao mantsy ny mpiandraikitra amin’ny Fokontany mihitsy miara-midina ifotony manome ny taratasy izay ilaina amin’izany. Tsy mbola fantatra ny vola aloha manaraka fa io 16 000 Ariary io ihany aloha amin’izao fanombohana izao.  »
Marihina moa efa nanomboka ny maraina ny fampidirana ireo mpivarotra hiditra tamin’ny ara-dalana amin’ny lafiny hetra. Renim-pianakaviana iray no nijoro vavolombelona fa efa hatramin’ny 6ora maraina izy no nilahatra ary tamin’ny iray ora tolakandro vao voaray. Tamin’ny 6ora hariva no niala teny an-toerana ny mpanao gazetinay, mbola laharana faha-900 mahery no farany tamin’izany. Tsipihina fa mampintaraina ny mpivarotra sasany koa ireo mpitango latsakemboka izay mahatratra in-dimy anatin’ny andro iray kanefa tsy manome tapakila. Velon’ahiahy ny amin’izany ireo mpivarotra fa ny hetra tsy maintsy aloa manomboka eto kanefa ny dikey (ticket) koa tsy mazava fa iretsy mpitango haban-tsena isan’andro miverimberina amin’ny toerana iray ary tsy manaiky raha tsy mahazo vola kanefa misy fotoana aza milaza ireo mpivarotra fa tsy « vaky love ».
Haja Nirina

Articles similaires

mars 2024
L M M J V S D
 123
45678910
11121314151617
18192021222324
25262728293031