Madatopinfo

 Flash Info

ÉDITION SPECIALE CORONAVIRUS : RELIJIOZY AVY ANY ITALIA TRATRY NY CONVID19 TETO MADAGASIKARA.

ÉDITION SPECIALE CORONAVIRUS : RELIJIOZY AVY ANY ITALIA TRATRY NY CONVID19 TETO MADAGASIKARA.

ÉDITION SPECIALE CORONAVIRUS : RELIJIOZY AVY ANY ITALIA TRATRY NY CONVID19 TETO MADAGASIKARA.
avril 29
17:08 2020

 

Araka ny resaka manokana nifanaovana tamin’ny mpiandraikitra ny fitiliana TDR, heverina fa teto Madagasikara efa nitoetra andro maro vao voan’ny tsimokaretina coronavirus ilay Relijiozy vavy tany Faradofay fa tsy nitondra io valanaretina io avy tany Italia. « Mety tsy nanao TDR ilay ramatoa tratry ny aretina coronavirus tany Fort-Dauphin, misy tamin’ireo mpandeha avy any ivelany no tsy nahavita izany noho ny olana serasera sy fitanterana. Fa azo antoka fa salama ary « négatif » satria natao PSR izy ny 19 marsa teo raha tonga avy any ivelany. Natao test PSR avokoaPST mantsy ireo tonga avy any ivelany. Mbola tsy nanao TDR koa isika tamin’izany. » Hoy ny tale mpiandraikitra ny TDR,  Andriamatoa R.V. raha nifampitafa tamin’ny finday ny alarobia 29 aprily atoandro teo tamin’ny mpanao gazetinay.
« Mety « négatif » izy tonga teny Ivato tamin’ny 19 marsa  fa mety fifaneraserana na « cas contact » no nahatonga azy ho voa fa efa taorian’ny fihobohana afaka 14 andro maro mantsy izany. Hanyizany ka mitombona ny vaovao ofisialy tao amin’ny Tvm nilaza fa tsy nentiny avy any ivelany « cas importé » fa vokatry ny fifampikasohana tamin’ny fiarahamonina na « cas contact » ny nahazoany aretina ». Hoy hatrany ny Tale R.V.
Manoloana ny fifanomezantsiny nipariaka tamin’ny tambazotran-tserasera, nanamafy io vaovao io ny mpandrindra ny TDR vita fihobohan’ny mpandeha ka heveriny ho: « Mandainga io olona io fa tsy nanaoTDR an’io izahay, ary manana « base de données » rehetra sy ny « liste » ny olona natao TDR en fin de Confinement t@ hôtel rehetra tsika an ! Izahay no premier responsable tamin’ io TDR io. » Hoy R.B, coordonnateur de mobilisation des Internes et Biologiste  sur terrain nanao an’ilay  TDR coronavirus rehetra tamin’ny faran’ny confinement, araka ny fampintambaovao tamin’ny Mpanao gazetinay hatrany.
Nifanerasera tamina olona maro
Ny resaka mandeha amin’ny tambazotran-tserasera nilaza fa nahazo fanamarinana io Mpitondra fivavahana vehivavy io vita fihobohana. Ny mpiandraikitra milaza fa mety tsy vita TDR izy na  tsy voatery positif izy tamin’izany raha ny 27 aprily vao nisy soritraretina. Voalaza mantsy fa efa 14 andro  mahery be izany ka tsy cas importé araka ny fiheveran’ny maro azy fa « cas contact » ka tsy vitsy ireo efa nifaneraserany mety nahazoany ary mety niparitahany koa
Tsahivina moa ny vaovao niely tamin’ny facebook araka izao itanteran’ny : « Vaovao Farany – Fil d’Infos » azy izao fa nanatanteraka fihobohanaio ihany io relijiozy io.  « CORONA VIRUS à FORT- DAUPHIN : CAS CONTACT Masera iray cas positif any Fort-Dauphin. Raha tsiahivina dia vao tonga avy any Italie izy dia efa « mise en quarantaine » teny amin’ny CCI Ivato ary nanao test PCR ny 19 mars fa négatif  ny valiny. Nahazo certificat de fin confinement ny 30 Mars 2020 ka afaka nody teny Soavimbahoaka niaraka t@ ireo Soeur namany. Ny 09 avril 2020 izy no tonga teto Faradofay  » AVION » izay tonga dia nihiboka nandritra ny 14 andro indray. Antsoina izay niaraka tamin’ny « avion » tamin’ny 09 Avril 2020 mba hijanona ao antrano satria misy ny tsy mbola nanao test. Efa fantatra daholo ny olona nifanerasera taminy  » 79″ no isany izy ireo ary efa fantatra avokoa !! MIRARY FAHASALAMANA HO ANAO MASERA ! Vaovao nindramina ». Mila mitandrina araka izany fa efa misoko mangiana toa rongisa any amin’ny fiarahamonina ity aretimandoza ity. Entanina ny fanaovanatampim-bava sy orona.
Haja Nirina

Sary fanehoana

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930