Madatopinfo

 Flash Info

ANDROM-BAVAKA MANERAN-TANY : Hotanterahana ny sabotsy 4 Jona ho avy izao ny hetsika

ANDROM-BAVAKA MANERAN-TANY : Hotanterahana ny sabotsy 4 Jona ho avy izao ny hetsika

ANDROM-BAVAKA MANERAN-TANY : Hotanterahana ny sabotsy 4 Jona ho avy izao ny hetsika
mai 15
05:03 2022

« Raha ny oloko izay nantsoina amin’ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin’ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny » 2 Tantara 7 :14, io no tenin’Andriamanitra raisina ho lohahevitra mandritra ny Androm-bavaka maneran-tany na « Global day of prayer » izay karakarain’ny Fikambanana mampiely Baiboly (FMB). Araka ny fampahafantarina tamin’ny alalan’ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety teny amin’ny foiben’ny FMB Antaninarenina, hotanterahana ny sabotsy 4 Jona hoavy izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro ny GDOP-MADA. Hisy ny « diaben’i Kristy mandritra io fotoan-dehibe io, hiara-hiainga any amin’ny toerana misy azy avy ny isam-piangonana ary hihazo amin’ny toerana iray. Hisy ihany koa ny fijoroana vavolombelon’ny krisitiana amin’ity hetsika Androm-bavaka maneran-tany ity. « Voizina ao anatin’ny GDOP-MADA ny hitondra fihavaozana ho an’ny krisitiana, sady natao mifanindry amin’ny fankalazana ny andron’ny Pentekosta rahateo izany. Misokatra amin’ny fiangonana rehetra tsy ankanavaka ny hetsika satria fanamby ny hikatsaka fihavanana sy ny fahamasinana eo amin’ny sehatra rehetra, na fikambanana na fiangonana », hoy ny Tale Nasionaly FMB, Camille Rafalimanana. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana mandritra ny Androm-bavaka maneran-tany ihany koa ny antsoina hoe : « 10 androm-bavaka » izay tanterahana manomboka ny andro Fiakarana ka hatramin’ny Pentekosta. Fiaraha-mivavaka ny isan-tokantrano, fianakaviana, isam-piangonana moa izany. Raha tsiahivina, isan-taona ny Fikambanana mampiely Baiboly no mikarakara ny « Global day of prayer » ary miova manaraka izany ihany koa ny lohahevitra safidiana.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930