Madatopinfo

 Flash Info

FIKOLOKOLOANA NY FAHASALAMANA : Nifamotoana teny Analakely ireo mpitia fanatanjahantena

FIKOLOKOLOANA NY FAHASALAMANA : Nifamotoana teny Analakely ireo mpitia fanatanjahantena

FIKOLOKOLOANA NY FAHASALAMANA : Nifamotoana teny Analakely ireo mpitia fanatanjahantena
avril 24
18:43 2023

Hisorohana ny aretina mateti-pitranga toy ny fiakaran’ny tosidrà, ny diabeta izay tsy mifidy taona na tanora na efa zokiolona, nisy ny fanamarihana ny andro manerantany ho an’ny fanatanjahantena ho an’ny fampandrosoana sy ny filaminana izay notanteharana teny Analakely ny alahady 23 Aprily lasa teo. Hetsika izay nokarakarain’ny ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS) sy ny Fikambanana iraisampirenena misahana ny fahasalamana na ny OMS, niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny, isan’ireo ny Telma Madagascar izay mpanohana ofisialy. « Tsy vao voalohany akory izao fiaraha-miasa amin’ny MJS izao fa efa hatramin’izay ary ity hetsika notanterahana ity no mariky ny fanamafisana indray ny maha mpanohana voalohany amin’ny fanatanjahantena ny Telma », hoy i Ny Aina Rakotonandrasana, tompon’andraikitra misahana ny fanatanjahantena eo anivon’ny Telma.
Namaly antso nandritra io fotoana io ny avy amin’ny ministera sy ny sampandraharaham-panjakana isan-karazany, ireo fikambanana marolafy na ara-panatanjahantena izany na hafa, ny federasiona sy klioba, ny olontsotra « Isan’ny vahaolana voalohany entina miady amin’ny tsy fahasalamana ny fanatanjahantena amin’ny alalan’ny alalan’ny fampihetseham-batana ka izay no antony nikarakaran’ny ministera ity hetsika ity », hoy ny Tale Jeneralin’ny MJS, Rosa Rakotozafy Andriamalazavola. Tsy vitsy ihany koa, hoy izy, ny tanora amin’izao fotoana izao no tratran’ny adintsaina ka mitarika azy ho any amin’ny famonoantena sy ny fiankinan-doha amin’ny fidorohana zavamahadomelina ka fitaovana ampirisihana azy ireo hitia ny fanatanjahantena izany. Fanentanana, hazakazaka niampy fampihetseham-batana toy ny dihy sy ny « zumba » no nentina fanamarihana andiany voalohany tamin’ny andro manerantany ho an’ny fanatanjahantena ho an’ny fampandrosoana sy ny filaminana ity.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930