Madatopinfo

 Flash Info

TRANOM-PIANTOHANA M.A.MA 55 TAONA: Nahazo kianja sentetika vaovao i Imeritsiatosika

TRANOM-PIANTOHANA M.A.MA 55 TAONA: Nahazo kianja sentetika vaovao i Imeritsiatosika

TRANOM-PIANTOHANA M.A.MA 55 TAONA: Nahazo kianja sentetika vaovao i Imeritsiatosika
mai 14
18:32 2023

Isan’ny reharehan’ny faritra na toerana iray ny fananana toerana manokana hanaovana fanatanjahantena manaraka ny fenitra takiana amin’ny fandraisana fifaninanana ary ihany koa ahafahan’ny tanora mampivelatra ny taranjany. Ho an’ny mponina ao Imeritsiatosika sy ny manodidina, tombony lehibe ho azy ireo ny fisian’ny kianja lehibe fanaovam-baolina kitra tamin’ny alalan’ny Trabom-piantohana M.A.MA (Mutuelle d’Assurance Malagasy) sady tsangambato ho fanamarihana ny faha-55 taonany ihany koa. Ny sabotsy 13 Mey no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ity fotodrafitrasa goavana ity izay notronin’ny Ben’ny Tanàna ao Imeritsiatosika, Parisoa Andriambolanarivo, ny teo anivon’ny Federasiona Malagasy misahana ny baolina kitra (FMF), ny Ligin’ny baolina kitra ao Itasy niaraka tamin’ny fianakaviamben’ny Tranom-piantohana M.A.MA sy vahiny manan-kaja maro.
« Ahitana trano fivoriana na seminera, fandraisana lanonana isan-karazany, toeram-pidiovana sy fihomanan’ny mpilalao ity fotodrafitrasa vaovao ity. Azo handraisana lalao fifaninana samy hafa ny kianja, misy aihany koa ny toeram-pilalaovana tsipy kanetibe ao anatin’izany. Dingana manaraka ny hananganana dobo filomanosana olimpika », hoy ny Filohan’ny Filankevi-pitantanana eo anivon’ny Tranom-piantohana M.A.MA, Andriamatoa Rolin nandritra ny fandraisam-pitenenany tamin’ny lanonam-pitokanana. Ity fotodrafitrasa ity araka izany no kianja sentetika voalohany afaka hilalaovan’ny olona 11 any Itasy. Vinavina ihany koa, hoy hatrany Andriamatoa Rolin ny hanitatra ny fanorenana any amin’ny Faritra hafa mba hampihena ny fivezivezena sy fandanian’ireo mpitia fanatanjahantena hamonjy toerana mandray fifaninanana tahaka izao.
Tsiahivina fa mahatratra 78 ny masoivoho M.A.MA manerana ny Nosy, mitotaly 450.000 mahery kosa ny mpikambana ao aminy amin’izao fotoana izao. Nandritra ny 55 taona niorenany izay, efa maro ny fotodrafitrasa naorin’ny M.A.MA ary tsy mitsahatra miroborobo hatrany ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra sy ny servisy ao aminy amin’ny maha orinasa malagasy azy.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930