Madatopinfo

 Flash Info

TETIKASA PIATT : Nanatanteraka fivoriana ireo mpisehatra amin’ny fanatsarana ny toeram-ponenena tsizarizary

TETIKASA PIATT : Nanatanteraka fivoriana ireo mpisehatra amin’ny fanatsarana ny toeram-ponenena tsizarizary

TETIKASA PIATT : Nanatanteraka fivoriana ireo mpisehatra amin’ny fanatsarana ny toeram-ponenena tsizarizary
décembre 16
10:30 2022

6Tombanana ny 134 amin’ireo fokontany 192 mandrafitra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) no miaina any amin’ireny toeram-ponenana tsizarizary ireny raha ny tatitra voaray. Raha ny fenitra voalazan’ny UN Habitat mantsy, trano mirefy 9 metatra tora-droa ho an’ny olona 3. Ny zava-misy eto an-tanan-dehibe anefa, tsy mifanaraka amin’ny fitombon’ny mponina ny fotodrafitrasa hany ka tsy misitraka rano fisotro madio, tsy manana kabone sy fidiovana. Ezaka goavana ny hampihena io tarehimarika io amin’ny alalan’ny PIATT na Programan’asa Ifarimbonana hAnatsarana ny Toeram-ponenana Tsizarizary.
Nisy araka izany ny atrikasa hanamafisana ny fandraisan’anjaran’ireo mpisehatra amin’ny fanatsarana ny toeram-ponenana tsizarizary an-tanàn-dehibe izay notanterahana teny Andavamamba ny alakamisy 15 desambra. Manarintsoa afovoany, Manarintsoa atsinanana, Manarintsoa Anatihazo ary Andavamamba ireo fokontany 4 misitraka ny tetikasa hatreto. Tafiditra tao anatin’ny atrikasa ny tombana ny asa efa vita hatramin’izay, ny fandraisan’izy ireo andraikitra ahafahana manohy ezaka nandritra ny fanatanterahana ny tetikasa. « Tanjona ny hanatsarana ny toeram-ponenana tsizarizay amin’ny alalan’ny fametrahana fotodrafitrasa ilain’ny mponina andavanandro sy ny tontolo manodidina ny trano fonenana toy ny birao-pokontany. Eo ihany koa fametrahana ny trano lehibe handraisana ireo traboina rehefa fotoam-pahavaratra sy ny fampiofanana arak’asa ao anatin’izany », hoy ny mpandrindra ny tetikasa PIATT, Jaona Andriamahazo.
Nandray anjara nandritra ity atrikasa ireo mpisehatra rehetra mikasika ny toeram-ponenana tsizarizary tahaka ny solontenan’ny ministera voakasika, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ireo Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny mpandrindra ny PIATT, ny ONU Habitat.
Tsiahivina moa fa ny 2021-2022 no dingana fahatelo amin’ny fandaharanasa PIATT izay vatsian’ny Komisiona Eoropeana vola, raha nanomboka ny taona 2008 kosa ny andiany voalohany ary nitohy tamin’ny 2015 ny faharoa.

H.N

Articles similaires

juillet 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
293031