Madatopinfo

 Flash Info

FANDAHARAN’ASA HELLO WOMEN : Hampitombo ny tahan’ny vehivavy misehatra amin’ny teknika sy nomerika

FANDAHARAN’ASA HELLO WOMEN : Hampitombo ny tahan’ny vehivavy misehatra amin’ny teknika sy nomerika

FANDAHARAN’ASA HELLO WOMEN : Hampitombo ny tahan’ny vehivavy misehatra amin’ny teknika sy nomerika
mars 08
09:10 2024

Ny iray ampahefan’ny vehivavy maneran-tany ihany hateto no milomano anatin’ny tontolon’ny asa miompana amin’ny informatika, teknika sy nomerika. Raha ny eto Madagasikara, 18 isan-jato ny vehivavy malagasy no misehatra amin’izany eny anivon’ireny toeram-piasana ireny, izany hoe, mbola ambany io taha io. Ho an’ny Orange Madagascar, tanjona ny hampiakatra io salan’isa io ka naroso ny programa mentoring « Hello Women » izay ao anatin’ny RSE. Nifanojo tanteraka tamin’ny andro iraisampirenena ho an’ny zon’ny vehivavy araka izany ity fandaharan’asa ity izay nampahafantarina teny Antanimena ny alakamisy 7 marsa lasa teo.
« Vehivavy miisa 50 no nofantenana hisitraka ny fiofanana mandritra ny 3 volana, efa mamarana izany izy ireo ary efa hiditra eo amin’ny sehatry ny asa. Natao izany mba hanamorana ny fidiran’izy ireo amin’ny asa teknika sy nomerika », hoy i Dina Mallet, tompon’andraikitry ny fiaraha-miasa sy ny RSE eo anivon’ny Orange Madagascar. Vehivavy tanora manana mari-pahaizana Licence, Master 1 sy Master 2 moa ireto nahazo tohana ara-piofanana ireto ary misitraka izany maimaim-poana izy ireo. Fantatra ihany koa fa samy manana ny « mentore » avy izy 50 mirahavavy ireto arakaraka ny fahaiza-manaony. « Amin’ity taona 2024 ity, hisandrahaka any Antsirabe, Fianarantsoa ary Toliary ity fiofanana  ViavyTech amin’ny alalan’ny fandaharan’asa Hello Women ity amin’ny volana aprily ho avy izao ao anatin’ny fanamarihana ny Andro maneran-tany ho an’ny vehivavy mikirakira ny nomerika. Hitohy any amin’ny Faritra Avaratra izany amin’ny volana mey », araka ny fanazavana nentin’ny Tale ara-barotra Orange Madagascar, Carine Lefriec. Vinan’ny Vondrona Orange rahateo ny hahatrarana ho 25 isan-jaton’ny vehivavy miasa amin’ny sehatry ny teknika sy nomerika hatramin’ny taona 2025 ka tafiditra anatin’izany ny Data sy IA, Cybersécurité, Système d’information, Réseaux et Télécommunications.
Tamin’ny taon-dasa, maherin’ny 900 ny vehivavy tanora mpianatry ny lisea sy oniversite no voakasiky ny programa Hello Women teto Antananarivo.

M.R

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930