Madatopinfo

 Flash Info

VATSIM-PIKAROHANA YAVARHOUSSEN-INHA 2023: I Tsiory Razafinorovelo no voafidy tamin’ny andiany fahatelo

VATSIM-PIKAROHANA YAVARHOUSSEN-INHA 2023: I Tsiory Razafinorovelo no voafidy tamin’ny andiany fahatelo

VATSIM-PIKAROHANA YAVARHOUSSEN-INHA 2023: I Tsiory Razafinorovelo no voafidy tamin’ny andiany fahatelo
juillet 22
08:52 2023

Raha tamin’ny taona 2021 ny andiany voalohany ny vatsim-pikarohana Yavarhoussen, hanampiana ireo mpikaroka momban’ny haikanto ankehitriny eto Madagasikara sy hahafantarana ireo kolontsaina sy vakoka izay mbola tsy fantatra eto an-toerana, miditra amin’ny andiany fahatelo kosa izany amin’ity 2023 ity.
« Le Centre Culturel Albert Camus (CCAC): pépinière pour les peintres malgaches dans les années de l’indépendance, 1960-1972 » no lohahevitra nahazoan’i Tsiory Hasinjanahary ny vatsim-pikarohana avy amin’ny Fonds Yavarhoussen nandritra ny INHA 2023. Nampahafantarina ny alakamisy 20 jolay lasa teo teny amin’ny Gallery Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka izany. Hasongadina ao anatin’izany fa sehatra iray ahafahan’ireo manan-talenta amin’ny haikanto malagasy mampiroborobo ny kolontsaina ao aminy ny CCAC. Mpifaninana 8 no nandray anjara tamin’ity andiany ity, ny telo amin’ireo dia malagasy avokoa ary ny 5 ambiny kosa dia teratany vahiny toa ny avy ao Frantsa, Conores, Raoyaume-Uni. Raha ny fanazavana nentin’ny mpikaroka eo anivon’ny Institut de Civilisations, Musée d’Art et d’Archéologie ao amin’ny Oniversite Antananarivo, Bako Rasoarifetra, dia nitombo ny mpifaninana tamin’ity vatsim-pikarohana Yavarhoussen ity. Mampiseho izany fa mahasarika ny olona ny fikarohana ara-tsiansa miompana amin’ny kolontsaina, isan’izany ny tantaran’ny haikanto malagasy, hoy hatrany ity mpitsara ny vatsim-pikarohana Yavarhoussen 2023 ity nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety. Nandalo sivana avokoa ireo kandida tamin’izany ary izay mendrika indrindra tamin’izy ireo no tafita nandrombaka ny vatsim-pikarohana. « Ho fampiroboroboana ny kolontsaina eto Madagasikara, miara-miasa amin’ny fanohanana ny fikarohana sy fanaparitahana ity asa fikarohana ity ny Institut National d’Histoire de l’Art sy ny Fonds Yavarhoussen », hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny Fonds Yavarhoussen, Vatosoa Razafimandimby.
Ho an’i Tsiory Razafinorovelo, nisitraka tohana ara-bola 1000 euro isambolana mandritran’ny herintaona ny tenany ary ihany koa lelavola 5000 euro hahafahany manantanteraka ny asa fikarohana.

M.R

Articles similaires

mai 2024
L M M J V S D
 12345
6789101112
13141516171819
20212223242526
2728293031