Madatopinfo

 Flash Info

HETSIKA MOMBA NY FITATERANA : « Nahomby ny SITLM andiany fahatelo », hoy ny mpikarakara

HETSIKA MOMBA NY FITATERANA : « Nahomby ny SITLM andiany fahatelo », hoy ny mpikarakara

HETSIKA MOMBA NY FITATERANA : « Nahomby ny SITLM andiany fahatelo », hoy ny mpikarakara
avril 15
12:08 2024

Mitàna anjara toerana goavana amin’ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ny sehatry ny fitaterana amin’ny alalan’ny fivezivezena na anatiny na mankany ivelany indrindra amin’ny fanondranana entana vokarina eto an-toerana. Andro 4 no nivondronan’ireo orinasa sy mpandraharaha momba ny fitaterana teny amin’ny Hazovato Expo Tanjombato, nandritra ny hetsika iraisampirenena momba ny fitaterana na « Salon internationale des transports, de la logistique et de la manutention ». Notanterahana nanomboka ny alakamisy 11 ka hatramin’ny alahady 14 Aprily izany. Miisa 108 mahery ny mpandray anjara nandritra io hetsika io, nahitana fitomboany io isa io raha oharina tamin’ny andiany anankiroa teo aloha raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra. Tamin’ity andiany fahatelo ity, niavaka izany satria niompana kokoa tamin’ny fiarovana ny tontolo iainana na ireo fitaovana na ihany koa ireo kojakoja ilaina amin’ny fitaterana.
« Fahombiazana no azo hamehezana ny SITLM 2024 satria namaly antso ny mpitsidika sy ny mpanjifa, afa-po avokoa na ny mpikarakara na ihany koa ireo mpisehatra rehetra sy ny mpandray anjara hampiroboroana ny sehatra ara-toekarena eto amintsika, sy hanomezan-danja ny tontolon’ny fandraharahana », hoy ny mpikarakara. Nandritra izay 4 andro izay mantsy, fantatra fa maherin’ny 600 isan’andro ireo mpitsidika tonga teny amin’ny Hazovato Expo Tanjombato, na teratany vahiny izany na malagasy.
Nampiavaka ity SITLM fahatelo ity ihany koa ny fandraisana anjaran’ireo tanora malagasy, nanana toerana manokana izy ireo nahafahana nampiseho ny fahaiza-manaony. Tosika lehibe ho an’ny mpandraharaha malagasy sy ny orinasa eto Madagasikara ny SITLM, varavarana hampiroboroboana ny seraseram-pitaterana, fanalahidy fitadiavana lalam-barotra ihany koa ny hetsika indrindra eo amin’ny sehatra iraisampirenena.
Ankoatra ny varotra fampirantiana, nisy ihany koa ny famelabelaran-kevitra nahitana lohahevitra samy hafa niarahana tamin’ireo matihanina amin’ny sehatry ny fitaterana nandritra ny 4 andro.
Tratra ny tanjona tamin’ity andiany SITLM 2024 ity ary nampanantena ny mpikarakara fa tsy ho latsan-danja ny hetsika manaraka toy ny FIM na Foire Internationale de Madagascar izay kasaina hotanterahana amin’ny volana Mai ho avy izao.*

Mickah R.

Articles similaires

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930