Madatopinfo

 Flash Info

GABORARAKA

GABORARAKA

GABORARAKA
avril 18
20:30 2020

GABORARAKA TAHAKA IZAO FRANCE, ALLEMAGNE, ESPAGNE ARY ITALIA 1 VOLANA LASA IZAY.
Tsy mbola nisy ny maty tamin’izany satria 14 andro aorian’ny fahitana tsimokaretina vao nisy nindaosin’ny fahafatesana , mbola nanentana fotsiny ny Mpitondra fa tsy hentitra tamin’ny fampiharana lalàna tamin’izany. Maro ireo Minisitra tamin’izany aza tany ivelany nilaza fa tsy mila fanapenam-bava sy orona, afaka mivezivezy tanteraka. Ahiana mbola hitohy ny tsy fivoahana ny trano raha ny fahitana ireo mpivezivezy eto Andrenivohitra tsy manaja fepetra.Vaovao Mahafaly androany talata tamin’ny 8 ora alina kosa no nentin’ny Filoha Andry Rajoelina mikasika ny fitsinjovana manokana ireo sahirana, hatramin’ny mpampanofa tena aza. Raha tahaka ny fanombohana ny fifandrombonana tamin’ny miaramanonjan’ny haino aman-jery no nanoherana ny fidiran’ny coronavirus sy ny fanajanonana ny mponina tanteraka an-trano dia nilamina tanteraka ny vahoaka Malagasy odidinin’ny ranomasina ary ho voafehy ny aretimandoza. Mankasitraka ny Fitondrana izay mijoro tsy mandry andro aman’alina, araka ny voalazan’ny Filoha, amin’ny fitsinjovana ny vahoaka Malagasy, indrindra tonga hatramin’ny fizarana vola. Ireny ny vaovao marina fa maro no miandrandra vaovao marina, indrindra ny mpiahy ny fampiam-baovao. Nanentana ny Malagasy mba hivavaka ihany koa ny Filoha, mba tsy ho tonga tahaka ny tranga fahafatesana any Italia ny eto amin’ny Nosy. Hanezaka ny Fitondrana fa Manentana ny mponina koa mba hanaraka ny toromarika.

Hentitra ny Minisitry ny Atitany Atoa Tianarivelo Razafimahefa io atoandro io:  » Zava-doza amin’atambo ny aretina misy amin’izao fotoana ka aoka samy ho tonga saina.Misy firenen-kafa anie ka ahitana olona maty 400 , 800 eny 900 ao anatin’ny iray andro; ka sanatria hiandry an’izany hitranga eto ve isika vao samy ho tonga saina hoe aleo mijanona ao an-trano « ..Mihidy tanteraka Analamanga , Toamasina 1 sy 2 hoy ny minisitra ; manana antony manokana sy mazava tsara ianao matoa mivoaka .Raha hiantsena dia olona 1 ihany..entanina koa anefa tsy ho.isan’andro fa mba tokony efa nanangona izay ilaina.rehetra.Fiarovana lehibe ho antsika , hoy ny minisitry ny atitany ny fijanonana ao an-trano ary tena ho hentitra ny sazin’ireo tratra mandika ny fepetra sy fitsipika.

MIJANONA ANY AN-TRANO

Articles similaires

0 Commentaire

Aucun commentaire sur cet article!

Soyez le premier à commenter!

Ecrire un commentaire

Ecrire un commentaire

avril 2024
L M M J V S D
1234567
891011121314
15161718192021
22232425262728
2930